Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »
-
mercredi 13 août 2008 |
Penjy R.
| 590 visites
"Hitohy ny hetsika. Tsy amelanay raha tsy tafahaona amin'ny vahoaka eto andrenivohitra izahay fikambanan'ny mpanohitra miray. Tafiditra ao anatin'ny vovonay ny fanjakana, ary tsapa fa matahotra ny hivoahan'ny marina ry zareo".
Lahateny nataon-dry Daniel Ramaromisa sy Marson Evariste ary ny Profesora Zafy Albert io ny alatsinainy teo. Tao anatin'ny hetsika izay saika hikabarian'izy ireo tamin'ny vahoaka tetsy amin'ny tranompokonolona Analakely. Taitra ny rehetra, fa vory lanona tao Analakely (...)
-
Teny zato kabary arivo
mardi 12 août 2008 |
Penjy R.
| 671 visites
Be ny mpanararaotra, fa ny fanaraha-maso koa no tsy ampy. Samy manao izay heveriny fa mety ny rehetra. Izay angamba no heverin'ny sasany fa fahalalahana.
Raha vao mandre ny rehetra fa miakatra ny vidin'ny solika, dia ny mby ao antsain'ny rehetra, dia ny ho fiakaran'ny saran-dàlana avy hatrany. Niakatra ny asabotsy teo ny ankamaroan'ny saran-dàlana manerana an'i Madagasikara. Nahatratra 30% ny fiakatry io saran-dàlana io. Sahirana ny mpandeha maro manoloana izany, satria nisy ny tsy nanam-po (...)
-
Teny zato kabary arivo
Nangatsiaka tsy mba nisy nahatsiaro intsony ny datin'ny 10 Aogositra 1991. Na ilay fanaterana voninkazo tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mai aza tsy nisy nanao intsony. Ingahy Alain Ramaroson no mba mpanao io isan-taona, saingy samy manana ny fahasahiranany angaha ny rehetra ka dia ny nisafidy ny nangina no natao.
Tantara iray tsy azo kosehina eo amin'ny fiainan'ny Malagasy iny daty iny. Aina maro no nafoy, ary ra maro no latsaka. Maro ireo mbola mitondra takaitra hatramin'izao, saingy toa tsy (...)
-
Teny zato kabary arivo
samedi 9 août 2008 |
Hery A.
| 703 visites
Mibahana ny sain'ny maro ny tontolon'ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy tantaraina intsony ny resaka solika fa efa samy mahatsapa ny tokony hataony. Amin'ny ankapobeny aloha dia toa nanaitaitra ny mpitondra fanjakana ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato, na an-dranomasina io, na an-tanety.
Saika aorian'ny loza hatrany vao hentitra ny fanjakana, hany ka izay tratra farany no tena manefa. Mitamberina indray ny fampatsiahivana ny lalàna velona izay efa nisy hatramin'izay. Ny teny (...)
-
Teny zato kabary arivo
Ela ny ela, nahazo fiara ihany ny depiote. Volana maro aty aoriana vao mba nahazo ny anjarany ireo olom-boafidy avy amin'ny tsy miankina. Efa tara ihany izany raha mitaha amin'ireo namany ao Tsimbazaza, satria ny hafa efa nahavita nitety faritra maro amin'ny fiara 4x4.
Rehefa nahazo kosa, hoy ny hafa dia izay no zava-dehibe. Ho an'ny mpitazana, dia saika nitoetra teo anivon'io andrim-panjakana iray ny fanaovana zanak' ikala hafa. Soa fa voasoroka mialoha izany. Tsy dia hita taratra eo (...)
-
Teny zato kabary arivo
jeudi 7 août 2008 |
Hery A.
| 493 visites
Varimbariana ve ny mpanohitra sa mbola itambesaran'ny alahelo noho ny fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika ? Tsy henoheno, mangingina...sa miketrika ? Fotoana fiomanana tokoa izao raha mbola hilomano maharitra ao anatin'ity tontolo politika ity. Tsy misy tanjona afa-tsy ny fifidianana amin'ny taona 2012. Efa niainga hatry ny ela ny antoko matanjaka eo ambany fiahian'ny manampahefana eto amin'ny firenena. Mandeha tsy misy mpanohintohina ny fanomanana. Voapetraka ny ankamaroan'ny (...)
-
Teny zato kabary arivo
mercredi 6 août 2008 |
Penjy R.
| 612 visites
Ny ivelany fotsiny no kanto sy meva Aoka tsy hijery ny hitan'ny maso, fa hidiro lalina ahitana ny tena olana. Fanirian'ny mponina eto andrenivohitra ny andehanan'ireo tompon'andraikitra eto amin'ity tanana ity any amin'ireo tanana maro eto andrenivohitra. Toy ny natao tamin'ireny fampielezan-kevitra ireny, izay saika voatety tao anatin'ny tapa-bolana monja ny fokontany 196.
Izay mahavangivangy tian-kavana. Olana toa tsy mba misy mpijery ny mahazo ny faritra maro eto andrenivohitra. Tanana (...)
-
Teny zato, kabary arivo
"Variana manao vaovao samy hafa, fa tsy ny asa vitan'ny fitondrana no tanisaina". Mahalasa saina ny maro ny hevitry ity olom-boafidy iray ity, nanakiana ny asa fanaovan-gazety. Toa hinian'ny sasany hamaivanina mihitsy ity asa iray ity, rehefa tsy mifanaraka amin'ny fomba fijeriny. Ny asa ataon'ny fanjakana, dia saika efa mahazo sehatra isan'andro amin'ireo haino aman-jerim-panjakana sy ireo izay tsy maintsy mivoy izany isan'andro. Moa tsy efa mahazo vahana, ary mila hakalilo sofina sy maso (...)
-
lundi 4 août 2008 |
Penjy R.
| 509 visites
Azo ny tso-drano. Ho atao laharam-pahamehana amin'izay ny fanatanjahan-tena Malagasy. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo. Nandritra ny lanonana natao teny Iavoloha ho fitsofan-drano ireo tanora hiatrika ny lalao Olimpika any China.
Nifanohitra tamin'ny teny tany aloha ny teniny tamin'ity indray mitoraka ity, izay nilazany fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina raha nanova Governemanta izy . Tsara izany, satria afaka manantena ny (...)
-
Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy. Tsy maintsy mitady izay ho arapaka isan'andro, ka ny lafiny politika aloha no najanona.
Maro tamin'ireo mpitarika antoko teto Madagasikara no nivadika any amin'ny sehatry ny fandraharahana. Rehefa tsy nahatafita ny fanaovana politika dia aleo aloha mibizina hamelomana vady aman-janaka. Kandida nandritra ireny fifidianana maro nifanesy ireny no nandao ny sehatry ny politika.
Ny tsy azo lavina dia maro no nahazo tolotr'asa tamin'izao (...)
-
Manomboka ny fialan-tsasatra. Samy mandeha amin'izay maha-mety ny fiainany avokoa ny tsirairay. Maro no mandeha any amin'ny faritany, ary tsy vitsy no miakatra eto andrenivohitra. Tsy vitsy ihany koa ireo mandeha any ampita.
Ny tsy afa-miala amin'ny fivelomanana isan'andro kosa dia tsy maintsy mitady ny harapaka anio. Ilain'ny vatan'olombelona anefa ny fialan-tsasatra, ary tokony hanao izany ny rehetra, saingy tsy mankaiza fa mitaiza hoy ny fomba fiteny izay rehefa tsy ampy ny ho (...)
-
Fahorian'ny hafa, hafaliana ho an'ny sasany. Feno olona mitsongoloka eran'ny arabe. Mividy ankajo "friperie" (fripy) ireny. Tsy hanavahana sarangan'olona, fa izay mba manana vatsy ara-bola kely dia efa io hita miondrika etsy eroa.
Mitobaka eto amintsika ankehitriny ny lamba fripy. Hita eny ihany koa na ny kiraro, sy izay afahan'ny olona mihaingo. Mora ny vidiny, ary hita fa mbola tsara. Mahatoraka ny fitafy vaovao. Vitsy izany olona mivoron-kitsay izany, satria miainga amin'ny 200 ariary, (...)
-
mercredi 30 juillet 2008 |
Penjy R.
| 530 visites
Mangataka atsy, mitalaho aroa. Io no heverina fa ahatafavoakany firenena, ka hiangaviantsika mafy amin'ireo mpamatsy vola ivelany. Hatramin'ny resaka voly avotra sy ny voly vary, dia tsy vitan'ny herintsika intsony, fa tsy maintsy hilana fanampiana any ivelany. Tsapa io raha nisy ilay fihaonana natao niaraka tamin'ny mpamatsy vola mahazatra ny alatsinainy teo. Teraka teo ny filazan'ny ministra Panja Ramanoelina, fa tsy hisy fiantraikany eo amin'ny resaka mosary ny fiakatry ny vidim-bary? (...)
-
Tsy mety miravona, fa disadisa hatrany. Io no tsapa amin'ny fihetsiky ny ben'ny tanàna eny Ivato Aéroport sy Ivato Firaisana. Resaka ady tany hatrany no fototry ny olana.
Ny herinandro teo no voalaza fa nikasa hanangana tamboho sy hanampy ny trano hiasany ny ben'ny tanàna ao Ivato Firaisana. Tsy nanaiky izany ny ankilany, ka velona teo ny gidragidra . Niditra an-tsehatra ny sefo Distrika ao Ambohidratrimo. Niravona vonjy maika ny raharaha nanomboka teo. Ny sabotsy teo anefa dia raikitra ny (...)
-
Nifampitsetsetra avokoa ny mpanao politika rehetra. Io no hita tamin’ny nahafatesan’ingahy Herizo Razafimahaleo. Ny mpanao politika nitovy hevitra taminy tao amin’ny mpanohira, dia tsy olana ny fomba falazany momba ny asa nataony. Ny nanaitra, dia ireo tsy nitovy fomba fijery taminy aza dia nanambara fa olona tokony nomena sehatra goavana teo amin’ny raharaham-pirenena izy. Manana ny fahaiza-manaony ity lehilahy ity hoy ireo. Tokony noraisina ihany koa ny hevitra natolony, fa tsy natao (...)
-
Mpanao politika roa no indray namoy ny ainy tao anatin'ny iray andro monja. Gaston Ramaroson, sy Herizo Razafimahaleo. Samy narendriky ny fahafatesana ny alakamisy teo. Tsy zoviana amin'ny rehetra intsony izy roa lahy ireto teo amin'ny sehatry ny fanoherana teto Madagasikara.
Hihena avy hatrany ny fanehoan-kevitra eto amin'ny tanàna. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny tsy fahafahan'ny maro miteny. Izay mbola nisisika nanao izany, dia nalefa nialokaloka teny am-ponja. Izay mba sahy (...)
-
vendredi 25 juillet 2008 |
Naivo kely
| 563 visites
Raikitra ny fanehoan-kevitra eo amin'ny sehatry ny fampianarana. Naneho ny heviny avokoa ny mpanao politika sy ny hery rehetra eto amin'ny firenena. Tsy ho gaga isika raha samy miteny avokoa ny rehetra, satria miankina amin'io ny hoavin'ny taranaka aty afara.
Ahiahy tsy hiavanana. Hiova ho amin'ny teny Malagasy ny ho enti-mampianatra. Misy ny tsy mankato izany, satria mety ho bado angaha ny zanany, raha vao miteny gasy ka hilaozan'ny zanaky ny mpanana eo amin'ny fahaizana fiteny vahiny? (...)
-
jeudi 24 juillet 2008 |
Kama
| 485 visites
Tokony ho fitaratra eo amin'ny fampandrosoana ny fanatanjahan-tena ny ADEMA. Manomboka izao, dia hisy ny fijerena izay ho taniketsan'ny baolina kitra Malagasy. Ireo tovolahy 13 ka hatramin'ny 15 taona, manana halava 1m 65 raha kely indrindra no ilaina. Ho fitsinjovana ny fananana vatana lehibe sy lava no kendrena amin'io. Na eo aza aloha izay, dia tsy tokony ho adinoina kosa ny tsy ampy refy, manana fahaiza-mitondra baolina ny olona toy ireny, ka tokony hisy fijerena manokana. Araka ny (...)
-
mercredi 23 juillet 2008 |
Naivo kely
| 544 visites
Tsy lasa intsony e. Na dia nokolokoloina nomena ny vilona isan-karazany aza ny omby masiaka avy eto Madagasikara, dia tsy nahatrongy intsony. Io no andeha entina hilazana ny vokatry ny lalao ataon'ny Barean'i Madagasikara atsy Afrika atsimo.
Tsy mety mandresy, fa na resy, na manao ady sahala. Ny mpilalao mihitsy ve no tsy mahomby sa ny mpanazatra no tsy alehany ? Natao daholo ny tetika isan-karazany, niainga tamin'ny fandravana ny federasiona, ka nampihatoana antsika nandritra ny volana (...)
-
Ny soa fianatra. Endrika iray hisoroana ny mety ho fahavoazan'ny vahoaka ao aminy no nataon'ny mpitondra tatsy Côte-d'Ivoire ny alahady teo. Làlana iray tsy azo hiodivirana ny sondrom-bidim-piainana manerana izao tontolo izao. Miditra an-tsehatra ny mpitondra any amin'io firenena io, ka ny fampihenana ny fandaniana ataon'ireo mpitondra isan'isany no natao voalohany. Ny fivoahana mitety faritra sy firenena, dia tsy azo natao intsony, raha tsy tena misy antony goavana. Ny karaman'ireo (...)