Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 00h14
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Very maina ny ra latsaka

lundi 11 août 2008 |  604 visites  | Naivo kely

Nangatsiaka tsy mba nisy nahatsiaro intsony ny datin’ny 10 Aogositra 1991. Na ilay fanaterana voninkazo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mai aza tsy nisy nanao intsony. Ingahy Alain Ramaroson no mba mpanao io isan-taona, saingy samy manana ny fahasahiranany angaha ny rehetra ka dia ny nisafidy ny nangina no natao.

Tantara iray tsy azo kosehina eo amin’ny fiainan’ny Malagasy iny daty iny. Aina maro no nafoy, ary ra maro no latsaka. Maro ireo mbola mitondra takaitra hatramin’izao, saingy toa tsy tsaroana intsony ny fisian’ireny. Voalaza fa maro ny olona tsy hita popoka mandrak’ankehitriny. Tolona izay nentina nanesorana ny mpitondra teo aloha, dia ny amiraly Ratsiraka io. Nilokaloka izay mpitondra nifandimby fa tsy maintsy hisy ny ampamoaka momba iny vono olona iny, saingy mbola ambatobevohoka hatrany rehefa injay tonga eo amin’ny fitondrana ry zareo.

Tolona, tolona hatrany ny fiainana. Niampita hatraty amin’ny raharaha 2002. Mbola maro ny ra latsaka, na dia misy aza no sahy milaza fa tsy nisy ady teto. Ny fitaovam-piadiana maro naparitaka tetsy sy teroa, asa na natao haingon-trano na ihany koa nifampifirana. Isika rehetra no mamaly izany. Ankehitriny, dia mbola misy ihany ny sahy mitaona ny olona hitolona. Ny ra latsaka hatramin’izay aza very maina, ka olona iza intsony no sahy hanao sorona ny ainy eo. Ekena fa misy ny finiavana hitaky ny marina, saingy firy moa izay olona nilaza fa tsy hanaiky lembenana amin’ny rariny sy ny hitsiny izay, nefa adino ny teny nifanimezana rehefa azo ny mamy notadiavina ? Zary tohatra fiakarana hatrany ny Malagasy ka leo sy fay ny ankamaroany. Tsy ho gaga isika raha marefo ny fahavitrihan’ny rehetra rehefa misy miantso haneho hevitra etsy sy eroa. Ilay tapa-tongotra tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mai vokatry ny fipoahan’ny grenady aza toa tsy misy mahatsiaro intsony hatramin’izao.

Sa hafa ny tamin’ny 1947 sy ny tao afara, ka tsy mila tsarovana intsony ny taty aoriana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024