Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 20h58
 

Teny zato, kabary arivo

Teny zato kabary arivo

Tsara fiaingàna...

jeudi 7 août 2008 | Hery A.

Varimbariana ve ny mpanohitra sa mbola itambesaran’ny alahelo noho ny fahabangana lehibe teo amin’ny tontolo politika ? Tsy henoheno, mangingina...sa miketrika ?
Fotoana fiomanana tokoa izao raha mbola hilomano maharitra ao anatin’ity tontolo politika ity. Tsy misy tanjona afa-tsy ny fifidianana amin’ny taona 2012. Efa niainga hatry ny ela ny antoko matanjaka eo ambany fiahian’ny manampahefana eto amin’ny firenena. Mandeha tsy misy mpanohintohina ny fanomanana. Voapetraka ny ankamaroan’ny mpikatroka TIM manerana ny nosy, amin’ny alàlan’ireo distrika. Mijoro isaky ny distrika ny DisTIM, Jeunes TIM, ny vehivavy TIM. Azo an-tsaina ihany no mety ho fahombiazana raha izao fiomanana izao. Toa gaga ny maro mahita ny fivezivezen’ireo mpitondra fanjakana. Mitokana zava-bita atsy, manolotra fanampiana eroa, kanefa tsy fifidianana homanina, na fanakianana miseho.

Aiza kosa ny mpanohitra e ? Ny antoko TIM sy i Pastora Mailhol izao no efa tsara fiaingana, saingy misoko miadana ka tsy hitan’ny mpanohitra. Raha izao no mitohy dia hisaringotra amin’ireo kandida matanjaka roa ireo ny ankamaroan’ireo mpanohitra. Maro rahateo no mahay mamadika palitao amin’ny ora farany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS