Articles écrits par « Hery A. »
-
Rotary Club Madagascar

« Je sais que les rotariens malgaches sont très actifs pour contribuer à l’amélioration des conditions de vie des enfants, notamment dans les domaines de l’éducation, de la santé, de droits à la nourriture adéquate et à l’accès à l’eau potable ainsi qu’à l’assainissement. Mon rôle, en tant que représentant du président du Rotary International, consiste à encourager les 53 clubs du district 9220 de faire dans la mesure de leurs moyens en faveur des enfants », s’est exprimé le Gouverneur du Rotary international (...)
-
Vary
lundi 13 octobre 2008 |
Hery A.
| 603 visites
Manomboka miakatrakatra ny vidin-tsakafo eto Madagasikara amin'izao fotoana alohan'ny fahavaratra izao. Raha ny any amin'ny faritra Alaotra, anisan'ny sompitry ny vary voalohany eto Madagasikara, dia efa mananika ny ar 350 hatramin'ny ar 380 ny vidin'ny vary fotsy makalioka, iray kapoaka. Ny eto an-drenivohitra koa dia tsy mitsaha-miakatra, satria tao anatin'ny herinandro izay, dia miakatra Ar 10 isan'andro ny vary iray kapoaka. Araka izany dia maro ny fianakaviana efa mirona amin'ny (...)
-
Làlam-pirenena faha 44
jeudi 9 octobre 2008 |
Hery A.
| 705 visites
Manjaka ny tsy filaminana amin'ny lalam-pirenena faha 44 miainga eo Moramanga mihazo an'Ambatondrazaka. Tato ho ato dia nisy ny fanafihana ataon'ny jiolahy amin'ireny fiara mpitatitra ireny. Fiara mpitatitra maro no efa nahazoana fitarainana. Mpandeha an-jatony no efa very fananana. Na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay miasa mafy, dia tsy maintsy mba nandray fepetra ny mpanao fitaterana. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo dia nifamotoana eo Moramanga ireo fiara mpitatitra (...)
-
Antsiranana
mardi 7 octobre 2008 |
Hery A.
| 735 visites
Na dia teo aza ny avonavona sy tsy fahaizan’ity vazaha iray monina ao Antsiranana dia mba niezaka namonjy ny voina nahazo azy ihany ny fokonolona. Tamin’ny alahady teo mantsy dia nisy zavatra nipoaka in-telo tao amin’ny trano iray anatin’ny tanana’ity vazaha ity ary niteraka fahamaizan’ny kaontenera miisa 5 teo an-tokotaniny. Raha nikasa hamonjy indrindra anefa ny vahoaka no noroahan’ity vazaha. Nihitatra ny afo ka hany herin’ny fokonolona dia niantso ny mpamonjy voina tao amin’ny ADEMA. Voavonjy (...)
-
lundi 6 octobre 2008 |
Hery A.
| 731 visites
Nalazalaza ity resaka momba ny «fampihorohoroana» ity, tato ho ato. Maro ny endrika azo hitondrana fanazavana mahakasika an’io fa ny tsikaritra eto Madagasikara dia ny fahaizan’ny sasany mandika vilana ka manita-dresaka indraindray. Ny asa fampihorohoroana eritreretin’ny ankamaroan’ny olona aloha dia toy ireny zava-miseho any andafy ireny. Misy mpanao vy very ny ainy, mametraka «baomba» eny amin’ny toerana be olona. Eo no mirefotra ny baomba ka ny tanjon’ny fampihorohoroana eto dia ny handripaka (...)
-
vendredi 3 octobre 2008 |
Hery A.
| 631 visites
Hentitra ny fanjakana ! tsy azo anariana entana tsy ilaina avy any ivelany any intsony eto. Ny ronono amin’ny boaty io nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra io. Henjana ny asa manomboka eto satria ilay ronono nandripaka zazakely tany Chine no tena ahiana ho tafiditra eto. Amin’ny ankapobeny dia an’ny sinoa ny 90ùn’ny entana vahiny miditra eto. Ny karazan’entana rehetra avy any dia tafiditra soa aman-tsara eto avokoa, eny fa na ny entana efa tsy manarapenitra eo amin’ny sehatry ny tsena (...)
-
Belo amoron’i Tsiribihina
jeudi 2 octobre 2008 |
Hery A.
| 877 visites
Tandindonin-doza indray ny fiompiana kisoa any amin’ny distrikan’ny Belo amoron’i Tsiribihina any. Araka ny vaovao azo dia tao anatin’ny andro vitsy monja no naharipaka ny kisoa ompiana any an-toerana. Hatramin’izao dia kaominina roa no nahazoana vaovao ka nahafantarana fa matin’ny aretina avokoa ny kisoa. Rha tsiahivina ny fisehon’ny aretina dia saika mitovitovy amin’ilay aretina pesta indray mandeha izay. Isan’andro mantsy dia voalazan’ny mpampita vaovao fa misy kisoa voan’ilay aretina, ary tsy (...)
-
Asa soa navelan’i Mompera André Maire
jeudi 2 octobre 2008 |
Hery A.
| 1154 visites

Tsy maty ao am-pon’ny mponina ao Mandoto ny zava-bitan’i Mompera André Maire, nitondra fiangonana tao Mandoto hatramin’ny taona 1972, hatramin’ny taona 1999. Maty noho ny aretina tazo mahery tao Mandoto ny tenany. Ao Mandoto no milevina ny nofony hatramin’izao. Maro ny asa sosialy navelany ho an’ny faritra any Mandoto iny, toy ny fananganana fiangonana ao Vatovory, ny toby fitsaboana ao Mandoto, fiahiana ireo mpifindra monina ao Morarano, kaominina Anjoma Ramartine, sekoly amin’ny fokontany (...)
-
Dinan’ny fanabeazana
mercredi 1er octobre 2008 |
Hery A.
| 594 visites
Nanaiky ny nananganana ny dina mifehy ny fanabeazana ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra any amin’ny distrikan’ny Mahanoro. Nanatanteraka fivoriambe niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana isan-tokony ireo vahoaka rehetra tamin’ny faran’ny herinandro.
Teto no nambara amin’ny antsipiriany ny voarakitry ny dina novolavolain’ireo manam-pahaizana ka nankatoavin’ireo vahoaka, taorian’ny fivoriana. Voambara ao anatin’ny dina fa mandoa lamandy ar 20000 ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany 6 taona, (...)
-
Vatomandry
lundi 29 septembre 2008 |
Hery A.
| 961 visites
Hazo sarobidy mihoatra ny 100 isa any ho any sy toaka gasy 150 litatra no saron’ny polisim-pirenena ao Vatomandry tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny vaovao azo dia nahazoan’ny polisy vaovao ny mety ho fandalovan’ireo hazo halatra sy toaka gasy ao Vatomandry ka nametraka ny paik’ady rehetra ny polisy. Voasava ny fiara kamiao nitondra ireto entana ireto. Tera-tany malagasy sy tera-tany frantsay iray no voarohirohy ho tompon’ny entana ka dia notanan’ny polisy any an-toerana. Tsy maintsy (...)
-
Mpanendaka sy mpanao sinto-mahery
mercredi 24 septembre 2008 |
Hery A.
| 506 visites
Jiolahy iray tokony ho 30 taona no maty voatifitry ny polisin’ny GIR, teny Isotry omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Rotidrotiky ny bala ity jiolahy ity. Nanamafy ny mpitandro filaminana nanao ny fisavana azy, fa nahitana basy fohy marika MAB teny aminy, niaraka tamin’ny bala roa. Afa-nandositra ny namany, izay tsy fantatra mazava ny isany. Raha ny fanamarihan’ireo polisy, dia mitondra sakaosy avokoa izy ireo.
Efa niparitaka ny laza ratsin’ireto jiolahy ireto eny amin’iny faritra iny. (...)
-
Famotsiam-bola
lundi 22 septembre 2008 |
Hery A.
| 706 visites
Tsy biby fampitahorana ny sampan’asa SAMIFIN misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy mifankaiza loatra amin’ny asan’ny Bianco no sahaniny. Manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana mahakasika ny anjara asany avy izy roa tonta. Mampiavaka ny Samifin amin’ny Bianco, dia izy mpanao fanadihadiana ny fisian’ny vola tsy ara-dalàna amin’ny orinasa na fikambanana sns..., raha sahanin’ny Bianco kosa ny ady amin’ny kolikoly izay mahakasika ny olona sy sampan-draharaha tsy ankanavaka. Nahita (...)
-
Fanampiana ataon’i TIM
Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety.
Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana (...)
-
vendredi 19 septembre 2008 |
Hery A.
| 847 visites
Manao ny fanisana ny mpivarotra amoron-dalana ny kaominina Antananarivo ary nampanantena fa hampidirina ho ara-dalàna ireo mpivarotra ka hanome tsena hivarotana. Fanavotana tokoa tsy misy ohatr’ity satria mba misy mpandraharaha mahatsapa ihany fa tsy safidin’ny malagasy akory ny hivarotra amoron-dalana. Fantatry ny ben’ny tanana fa ireo mpiasan’ny orinasa afakaba voaroaka tato ho ato noho ny fikatonan’ny orinasa no nampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana. Tao anatin’ny 15 andro farany dia (...)
-
jeudi 18 septembre 2008 |
Hery A.
| 811 visites
Tsy faly indray ny mpanao politika sasany fa rava hatreo ny nofinofy efa lasa lavitra. «Ho raikitra ity !» hoy ny sasany «nanaraom-pako» tamin’iny raharahan’ny kaominina sy ny Samva ary ny fanjakana iny. Ny fidinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey sisa no nandrasana dia vaky indray ny sarom-bilany. Indrisy ! lasa nanaraka ny mpamorona azy iny tononkalo iny. Sarotra ny hino fa hisy afaka handimby an’i Rado, nahazo fandresena tamin’ny alalan’ny asa soratra.
Ny ben’ny tananan’Antananarivo nantenaina ho (...)
-
Jiromanga bibiolona
jeudi 18 septembre 2008 |
Hery A.
| 14078 visites
Na tsaho na tsia, ny lazan’ny fisian’ny bibiolona any ambanivohitry Mananjary, naha be resaka tany an-toerana nandritra ny herinandro izay, dia misy fiantraikany goavana izany amin’izao fotoana izao. Manidy trano takariva ny mponina noho ny tahotra.
Tsy sahy mivoaka ny trano kosa ny vehivavy satria ny fanolanana vehivavy no tena nampalaza izany bibiolona izany.Jiro manga moa no tena ahafantaran’ny olona azy satria toa hoe mangamanga manjelanjelatra ny masony. Tonga eto an-drenivohitra ny olona (...)
-
Korontana
lundi 8 septembre 2008 |
Hery A.
| 508 visites
Mirongatra ny asan-jiolahy manerana ny Nosy, raha izay enim-bolana voalohany amin'ity taona ity no nanangonana antontan'isa teny anivon'ny mpitandro filaminana ambanivohitra. Nahatratra 106 no isan'ny tranga nahian'ny mpitandro filaminana ka ny teto amin'ny manodidina an'Antananarivo no nahitana tranga be indrindra, raha voamarika fa ny fari-piadidian'ny Fianarantsoa no loha laharana tamin'ny taona 2007. Ny fari-piadidian'ny Toamasina kosa no nahaverezana fananana be indrindra satria (...)
-
Antananarivo renivohitra
vendredi 5 septembre 2008 |
Hery A.
| 664 visites
Voafatotry ny loko politika tanteraka ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraika ratsiny. Ny zavatra efa nampoizina hatramin'ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna no miseho ankehitriny. "Ho potika ny zava-bitan'ny PDS teo aloha", hoy ny sasany. Hitombo be dia be ny takela-by ho an'ny dokam-barotra", hoy ny sasany. Ity takela-by ity moa no nalaza tamin'izany, sady nisy rahateo ny (...)
-
Filaharana vola
jeudi 4 septembre 2008 |
Hery A.
| 401 visites
Isan-tapabolana eo no ahitana ny olona mitandahatra maka vola amin'ny banky eto an-drenivohitra. Mpandray karama ny ankamaroan'izy ireny ka amin'ireo fotoana fivoahan'ny vola io maha be mpilahatra azy io, dia ny faha 15n'ny volana sy ny faran'ny volana. Raha natao fanadihadiana ny sasany amin'izy ireo dia saika mifaoka ny vola rehetra ao anatin'ny kaontiny. "Io aza tsy ampy" hoy ny sasany. "Tsy ajanonay ao ny volanay", hoy ny hafa. Tokana ny noheverina ho tombontsoa hoy ireo mpiasa dia ny (...)
-
samedi 30 août 2008 |
Hery A.
| 691 visites
Milamindamin-dratsy ! Izay no azo ilazàna ny rivotra iainana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Toa misy korontana anatiny misavorovoro izany eo anivon'ireo mpitondra fanjakana, raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharahan'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra sy ny Fitondrana foibe fotsiny. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana, hoy ny fitenenana, fa misy tanjona ambadika ao saingy tsy mazava loatra. Ny tontolon'ny fandriampahalemana koa etsy andaniny toa mikitikitika ny raharaha (...)