Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h51
 

Malagasy

Filaharana vola

Tokony tsy ampijaliana ny beantitra

jeudi 4 septembre 2008 | Hery A.

Isan-tapabolana eo no ahitana ny olona mitandahatra maka vola amin’ny banky eto an-drenivohitra. Mpandray karama ny ankamaroan’izy ireny ka amin’ireo fotoana fivoahan’ny vola io maha be mpilahatra azy io, dia ny faha 15n’ny volana sy ny faran’ny volana. Raha natao fanadihadiana ny sasany amin’izy ireo dia saika mifaoka ny vola rehetra ao anatin’ny kaontiny. « Io aza tsy ampy » hoy ny sasany. « Tsy ajanonay ao ny volanay », hoy ny hafa. Tokana ny noheverina ho tombontsoa hoy ireo mpiasa dia ny fandriampahalemana. Ao moa ireo nanokatra kaonty noho ny torohevitry ny mpampiasa azy ka tsy afa-miala na tsy mahalala loatra ny fampiasana banky aza.

Mba asio lalàna

Izany anefa no mitaratra ny fandrosoan’ny toekarena malagasy. Mora kokoa ny fikajiana ny fandaniana na ho an’ny banky io na ho an’ny mpanjifa. Manana tombony manokana anefa ny olona mampiasa banky satria saika ao ny banky mampisambotra vola amin’ny fotoana ilàna azy, toy ny fidiran’ny mpianatra, ohatra. Misy koa ny fandoavana mialoha ny ampahan’ny karama, na mbola tsy tafiditra amin’ny kaonty aza.

Izay ny an’ny mpiasa madinika manana kaonty amin’ny banky, fa raha hiverenana ny filaharana etsy ambony, dia ny mahakasika ny beantitra no hita fa mbola mampalahelo. Tsy ny banky indray ity fa ireo sampan-draharaha mizara ny fisotroan-drononon’ny beantitra. « Misy lalàna tokony ahitsy ao », hoy ny beantitra iray, dia ny mahakasika ity filaharana lava ity. Isaky ny fivoahan’ny vola izao dia ahitana beantitra torana am-pitsanganana noho ny havizanana. Tsy misy ny seza natokana ho azy ireny. Ny laharana anefa tsy maintsy vonjena vao mangiran-dratsy, na iray andro mialoha mihitsy. Io ilay lalàna takian’ireo masoandro efa hilentika, saingy tsy misy mpihaino.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS