Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 19h41
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • FJKM Ambodiafontsy Maritiora : Fifidianana diakona

    Nisy ny kitranontrano hoy ny tanora kristiana

    lundi 24 septembre 2007 | Hery A. |  649 visites
    Niteraka olana eo anivon’ny samy mpivavaka ao amin’ny FJKM Ambodiafontsy Maritiora ny fizotran’ny fifidianana diakona natao tamin’ny volana martsa lasa teo satria hitan’ireo ampahan’olona mpandray ny fanasan’ny Tompo ny fisian’ny hosoka teo amin’ny fifidianana, sady namoahana avy hatrany ny vokatra, tsy nisy fitanana an-tsoratra. Nijoro vavolombelona amin’izany i ramatoa kely Rajoelison Hariniaina, sekretera tamin’ny fotoam-pifidianana sy ireo mpivavaka sasany ary ireo tanora kristiana. Efa vita (...)
  • Fifidianana

    Ahiana ny hisian’ny hala-bato hoy Ranjivason

    vendredi 21 septembre 2007 | Hery A. |  250 visites
    Na dia efa hita soritra aza ny mety ho fifandanjan’ny kandida solombavambahoaka eto Antananarivo dia samy tsy afapo ny ankamaroan’ireo kandida, indrindra fa ny kandida mpanohitra. Ny tokin’aina misy, hoy ny kandida Ranjivason, ao amin’ny boriborin-tany faharoa, fa ny hala-bato no ahiana. Araka ny feo ren’ity kandida ity dia nisy baiko nidina avy any amin’ny mpitondra fanjakana ambony any manendry ny olon’ny antoko TIM hisahana ny biraom-pifidianana ao amin’ny boriborin-tany misy azy. Nambaran’ity (...)
  • Toamasina : Fifidianana

    Misy ny mikasa hanakorontana

    mercredi 19 septembre 2007 | Hery A. |  193 visites
    Miha manakoako ny fampielezan-kevitra eny anivon’ny tanandehibe manerana ny nosy amin’izao herinandro farany hananana azy izao ka tsikaritra fa mipoitra tsikelikely amin’izay ireo kandida, ankoatry ny TIM. Misy an’izany avokoa na any Antsirabe, na any Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliary, Tolagnaro, Toamasina, ka ity farany izao no nahazoam-baovao fa misy mikasa hanakorontana ny fifidianana ao an-toerana. Maro no antony mety hisian’izany, hoy ihany ny vaovao azo, toy ny tsy (...)
  • Antsiranana : Fampielezan-kevitra

    Mpanao gazety norahonana tamin’ny basy

    mardi 18 septembre 2007 | Hery A. |  3658 visites
    Mpanao gazety amin’ny radio roa any Antsiranana no nisy nandrahona tamin’ny basy, ny alahady tolak’andro teo, raha teo am-pandefasana indrindra ny dokam-barotry ny kandida TIM any an-toerana. Nisy lehilahy roa niditra ankeriny tao amin’ny radio 102.8 FM, ka nanambana basy ny mpanao gazety sady nandrahona sy nandrara ny fandefasana ny dokam-barotry ny kandida TIM. Namaly anefa ity mpiasan’ny haino aman-jery ka nilaza fa dokam-barotra andoavam-bola io alefa io, ary ireny no mba fidiram-bolan’ny (...)
  • Nosy Comores : Olona 50 no matin’ny « Choléra »

    Ahiana hihanaka ao Mahajanga ny aretina

    samedi 15 septembre 2007 | Hery A. |  227 visites
    Hentitra ny fisavana ny hanimasaka amidy eny an-tsena sy eny amin’ny hotely, izay ataon’ny BMH ao Mahajanga noho ny fahafantarana ny fielin’ny aretina « choléra » atsy amin’ny nosy Comores izay tsy lavitra an’i Madagasikara. Fantatra mantsy, araka ny vaovao azo fa olona miisa 1000 no voan’izany any Comores ka ny 50 amin’ireo no efa maty. Ambenana ny sisin-dranomasina Arak’izany dia nampivory ny tompon’andraikitry ny fahasalamana sy ny sekoly ary ny tompon’andraikitry ny seranan-tsambo ny (...)
  • Melaky : Halatr’omby

    Mpitondra fanjakana telo no tratra

    mardi 11 septembre 2007 | Hery A. |  196 visites
    Vokatry ny hetsika « Valabe » paik’ady hiadiana amin’ny halatr’omby dia saron’ny fokonolona ny dahalo miisa 10 lahy nangalatra omby miisa 75. Samy nanao ity valabe ity ny kaominina ao anatin’ny faritra Melaky, hitobian’ireo omby mba hananosarotra ny dahalo ny fangalarana omby. Ny tao amin’ny kaominina Tongodava no nahasaronan’ny fokonolona an’ireto dahalo ireto. Dahalo ambony latabatra ihany koa Araka ny vaovao azo dia anisan’ny nirotsaka an-tsehatra tamin’ity halatra omby ity ny delegem-panjakana iray (...)
  • « Iarivo mifaly »

    Kianjan’ny 13 mai : « Tsy ho lalao politika ihany »

    vendredi 17 août 2007 | Hery A., Volana R. |  227 visites
    Lalao iraisan’ny mponina, miaraka amin’ ny Lalaon’ny Nosy fahafito. Endrika vaovao indray no natolotry ny Fivondronan’Antananarivo Renivohitra (CUA). Endrika hafa sy seho tsy mitovy amin’ny hatramin’izay. « Tsy ho korontana politika na fangatahana fiovam-panjakana ihany akory - ary tsy ho izay intsony - no ho hita eo amin’ny Kianjan’ny 13 mai. Lalao sy fifaliana, firaisan-kinan’ny samy Malagasy sisa no tsara raketiny », hoy ny PDS Rafalimanana Hery. Lalao isan-karazany, fitsidihana an’i (...)
  • Toamasina : Oniversite Barikadimy

    Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

    jeudi 26 juillet 2007 | Hery A. |  138 visites
    Rehefa sorena amin’ny fahatapahan-jiro ireo mpianatry ny oniversiten’ny Barikadimy ao Toamasina dia tsy naharitra fa nivoaka ny faritry ny oniversite ka nisakana ny làlam-pirenena faharoa. Nanomboka tamin’ny 8 ora alina no nitokona teo ireo ampahana mpianatra. Tonga ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-far nampiditra azy ireo ao amin’ny faritry ny sekoly saingy nifandrirarira teo aloha nandritra ny ora vitsy. Rehefa tsy nety niala ireo mpianatra, tamin’ny 10 ora alina tany ho any dia (...)
  • Fandravana ny Antenimieram-pirenena

    Tsy hiatrika fifidianana ny AREMA

    mardi 24 juillet 2007 | Hery A. |  157 visites
    Manoloana ny fikasan’ny filoham-pirenena handrava ny Antenimieram-pirenena malagasy dia naneho hevitra atoa Raveloson Josefa, mpandrindra ny antoko AREMA ao amin’ny firaisana faha 4 ka nanambarany fa vokatry ny tsy fahadiovan’ny rivotra politika hatramin’ny taona 2002 no mahatonga ny ady an-trano hiditra tsikelikely eto Madagasikara. Ny vahaolana moa hoy ity mpanao politika ity dia ny fiaraha-midiniky ny fanjakana mivantana amin’ny antoko voakasiky ny olana toy ny antoko mpanohitra, ny AREMA. (...)
  • Mpiasam-bahoaka : Fidirana amin’ny 9 ora maraina

    Ny vahoaka indray no sahirana

    mardi 3 juillet 2007 | Hery A. |  169 visites
    Araka ny baikon’ny fitondram-panjakana dia nanomboka omaly alatsinainy ny fidiran’ny mpiasam-bahoaka sasany amin’ny 9 ora maraina, raha amin’ny 8 ora maraina teo aloha. Tsy miova ny ora 8 hiasana isan’andro, izany hoe mirava amin’ny 5 ora hariva, raha tamin’ny 4 ora teo aloha. Ho an’ny mpiasam-panjakana voakasik’ity ora vaovao ity dia azo lazaina ho tsy dia mampiova zavatra firy. Misy kosa anefa ireo ampahany izay afaka miaina aminy, saingy ny tombony amin’ny fanatanterahana ireo asa tsy (...)
  • Randrana tsy manendrika ny tena

    mardi 19 juin 2007 | Hery A. |  235 visites
    Ny resaka fanatanjahantena eto Madagasikara mihitsy no tokony halamina, izay hita taratra amin’izao ankatoky ny fandraisana ny Lalaon’ny nosy izao. Tsy azo ihodivirana ny fanakianan’ny rehetra ny ekipam-pirenena Barea izay nifanandrina tamin’ny Gabon, tao anatin’ny CAN 2008. Tsy tanisaina eto fa efa voaporofo ny tsy fahavitrihan’ny malagasy nijery ny lalao tao Mahamasina ary ny tsy fankasitrahana ity ekipa ity. Ny fototra no tokony ho jerena mba tsy hahavery maina ny firoboroboan’ny kitra (...)
  • Oniversite Toamasina

    Mpianatra nodorana velona fa tsy may

    mardi 19 juin 2007 | Hery A. |  150 visites
    Tonga teto amin’ny gazety ny filohan’ny « Tanà miray », filohan’ny fikambanan’ny mpianatra mpiavy ao amin’ny oniversiten’ny Toamasina ka nanambara fa nisy ny famonoana nataon’olona misaron-tava azy. Nalaina an-keriny izy ary nofatorana sady notondrahana lasantsy, saika hodorana velona. Votsotry ny lasantsy ny tenany rehetra, hatrany amin’ny ankasarotany. Afaka niantso vonjeo anefa izy ka hitan’ny mpianatra, izay marihana fa tao amin’ny Campus ihany no nampijaliana azy. Naiditra hopitaly izy ka tsy (...)
  • Fikambanana Apokalipsy : Pasitera Mailhol

    Fototry ny fahantrana ny adim-pinoana

    jeudi 31 mai 2007 | Hery A. |  258 visites
    Ao anatin’ny fankalazana ny faha 10 taona ny fikambanana Apokalipsy tarihan’i Pastora Mailhol ka anisan’ny tsangambato ny fananganana fiangonana lehibe eny Itaosy. Hametraka ny vato fehizoron’io ny fikambanana amin’ny faha 2 Septambra izao. Nahazoan’ny fikambanana fanampiana avy amin’ny mpino Silamo tao Mahajanga ny fananganana fiangonana izay midika ny fivelaran’ny fikambanana amin’ny finoana hafa. Ao anatin’ny fankalazana koa ny fivoriambe nasionaly hanaovana jery todika sy handinihana ny (...)
  • Faritra Bongolava

    Mihamafana ny adilahy politika

    mercredi 30 mai 2007 | Hery A. |  141 visites
    Lasa disadisa sy nanampy tosika ny zava-misy ao amin’ny faritra Bongolava indray ny fanakianana mivantana ataon’ny loholon’i Madagasikara ny fiasan’ny tompon’andraikim-panjakana ao amin’ny faritra Bongolava araka ny vaovao nambaran’ny lehiben’ny faritra atoa Rabarijaona sy ireo olom-boafidy any an-toerana. Voakasiky ny fanakianan’ity loholona ity avokoa hatramin’ny lehiben’ny distrika, ny lehiben’ny sampan-draharaha isan-tokony ny ben’ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina sns ... Araka ny vaovao (...)
  • Antoko Arema

    Avohay ny gadra politika !

    lundi 21 mai 2007 | Hery A. |  181 visites
    Manoloana ny raharaham-pirenena izay somary mafampana dia nanao fivoriana ny mpitantana vonjimaika ao amin’ny antoko Arema izay notarihan’ny loholon’i Madagasikara atoa Randrianirina Lucien. Nanamafy ny antoko fa tokony hotanterahina ny fampiharana ireo fepetra fototra notakian’izy ireo dia ny fanajana ny lalàm-panorenana sy ny fametrahana ny laharam-pahamehana ny fifampiresahana ao amin’ny hery politika sy ny fiaraha-monim-pirenena mba hikatsahana vahaolana hialàna amin’izao fahasahiranan’ny (...)
  • Bongolava : Setrasetra politika

    Manoso-potaka anay ny loholona Rakotoamboa, hoy ny lehiben’ny faritra

    samedi 19 mai 2007 | Hery A. |  151 visites
    Herinandro taorian’ny namorian’ny loholona Rakotoamboa ny mpanao gazety dia mba nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety koa ny lehiben’ny faritra Bongolava ka nanambara fa fisakanana ny tetik’asa efa mandeha, noho ny lonilony politika no nentina nanalana baraka azy amin’ny haino aman-jery. Nambaran’ity lehiben’ny faritra ity fa fanalambaraka azy sy ireo mpiasam-bahoaka rehetra ao anatin’ny faritra no nataon’ny loholona Rakotoamboa. Maro dia maro ny tetik’asa notantaraina tamin’ny mpanao gazety (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS