Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 04h28
 

Malagasy

FJKM Ambodiafontsy Maritiora : Fifidianana diakona

Nisy ny kitranontrano hoy ny tanora kristiana

lundi 24 septembre 2007 | Hery A.

Niteraka olana eo anivon’ny samy mpivavaka ao amin’ny FJKM Ambodiafontsy Maritiora ny fizotran’ny fifidianana diakona natao tamin’ny volana martsa lasa teo satria hitan’ireo ampahan’olona mpandray ny fanasan’ny Tompo ny fisian’ny hosoka teo amin’ny fifidianana, sady namoahana avy hatrany ny vokatra, tsy nisy fitanana an-tsoratra. Nijoro vavolombelona amin’izany i ramatoa kely Rajoelison Hariniaina, sekretera tamin’ny fotoam-pifidianana sy ireo mpivavaka sasany ary ireo tanora kristiana. Efa vita amin’ny printy ny laharan’ireo olona nofidiana ka io taratasy latsaka io no nampiseho ny fizotran’ny fifidianana.

Nambaran’ireto tanora ihany fa nisy ny fitetezana tokantrano nataon’ireo mpilatsaka ho fidiana.

Rehefa nanontaniana kosa ny biraom-piangonana amperinasa iray, atoa R.Thomas, dia nanambara fa manana olana amin’ny sampana rehetra ny tanora kristiana. Etsy andanin’izany anefa dia tonga tao amin’ity fiangonana ity ny filohan’ny sinodam-paritany Antananarivo-Atsimo nijery ifotony ny fiainam-piangonana sady nampiofana ireo diakona vaovao, izay ho tokanana amin’ny faha 28 septambra izao.

Ny tolakandro dia nihaona tamin’ny solotenan’ireo mpino, nahatsikaritra ny zavatra tsy mety eo amin’ny fiangonana. Tsy niafina tamin’ireto olo-manankaja ireto ny olana amin’izao fotoana izao.

Araka ny vaovao azonay dia tsy nahazoana vahaolana ny fandalovan’ireto mpiahy ny fiangonana ireto fa nanamafy kosa izy ireo fa hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitandremana. Ity farany anefa dia nambaran’ireto ankilany ihany fa efa nitarainana, saingy tsy nahavaha olana, na dia tompon’andraikitra voalohany aza.

Lava ny tantara, ary tsy hanaiky lembenana ireto tanora ireto, indrindra moa fa efa tsy takona afenina intsony ny olana. Arak’izany dia tsy maintsy hitohy ny tantara mandram-piravin’ny olana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS