Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Malagasy

Antoko Arema

Avohay ny gadra politika !

lundi 21 mai 2007 | Hery A.

Manoloana ny raharaham-pirenena izay somary mafampana dia nanao fivoriana ny mpitantana vonjimaika ao amin’ny antoko Arema izay notarihan’ny loholon’i Madagasikara atoa Randrianirina Lucien. Nanamafy ny antoko fa tokony hotanterahina ny fampiharana ireo fepetra fototra notakian’izy ireo dia ny fanajana ny lalàm-panorenana sy ny fametrahana ny laharam-pahamehana ny fifampiresahana ao amin’ny hery politika sy ny fiaraha-monim-pirenena mba hikatsahana vahaolana hialàna amin’izao fahasahiranan’ny vahoaka malagasy izao. Takian’ity antoko ity ihany koa ny tokony hamelana tanteraka ny fahefana mpitsara, hanao ny asany malalaka. Izany moa dia nampifandraisin’ny antoko Arema amin’ny fitakiana ny hamoahana ireo gadra politika sy ireo olom-boafidy naiditra am-ponja. Karazana fanambarana miantefa amin’ny fitondram-panjakana no vontoatin’ny fivoriana teny Anosizato, omaly tolakandro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS