Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Malagasy

Fikambanana Apokalipsy : Pasitera Mailhol

Fototry ny fahantrana ny adim-pinoana

jeudi 31 mai 2007 | Hery A.

Ao anatin’ny fankalazana ny faha 10 taona ny fikambanana Apokalipsy tarihan’i Pastora Mailhol ka anisan’ny tsangambato ny fananganana fiangonana lehibe eny Itaosy. Hametraka ny vato fehizoron’io ny fikambanana amin’ny faha 2 Septambra izao. Nahazoan’ny fikambanana fanampiana avy amin’ny mpino Silamo tao Mahajanga ny fananganana fiangonana izay midika ny fivelaran’ny fikambanana amin’ny finoana hafa. Ao anatin’ny fankalazana koa ny fivoriambe nasionaly hanaovana jery todika sy handinihana ny drafitr’asa ho an’ny 10 taona manaraka, izay hatao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ankoatr’izay dia nofakafakain’ny Pastora Mailhol ny raharaham-pirenena eto an-toerana sy ny mikasika ny filoham-pirenena Frantsay, ary ny nanasongadinany ny tsy fisian’ny fifanatonan’ny mpitondra sy ny mpanohitra, na dia samy manao antso hifanatona aza.

Etsy andaniny dia voatanisa ihany koa ireo fototra miteraka fahantrana izay voarafitry Pastora Mailhol ho didy folo ka anisan’ny mavesa-danja ny ady an-trano sy ny adim-poko ary ny adim-pinoana. Ny zavatra tsikaritra tamin’ny fihaonan’ny Pastora Mailhol tamin’ny mpanao gazety dia ny nanasongadinany ahiahiny eo amin’ireo fiangonana toa tsy dia mifanaraka loatra amin’ny fitondrana, ka zary hisy hifandraisany amin’ny finoana hafa. Narangarangany avy hatrany fa io no ho fototry ny fahantrana sy sakana ho an’ny fampandrosoana.

Torak’izany koa ny ahiahiny amin’ny fivoizan’ny mpanao politika sasany ny adim-poko izay tena fositra izay midika avy hatrany fa ady an-trano.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS