Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h30
 

Malagasy

Toamasina : Oniversite Barikadimy

Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

jeudi 26 juillet 2007 | Hery A.

Rehefa sorena amin’ny fahatapahan-jiro ireo mpianatry ny oniversiten’ny Barikadimy ao Toamasina dia tsy naharitra fa nivoaka ny faritry ny oniversite ka nisakana ny làlam-pirenena faharoa.

Nanomboka tamin’ny 8 ora alina no nitokona teo ireo ampahana mpianatra. Tonga ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-far nampiditra azy ireo ao amin’ny faritry ny sekoly saingy nifandrirarira teo aloha nandritra ny ora vitsy. Rehefa tsy nety niala ireo mpianatra, tamin’ny 10 ora alina tany ho any dia nandefa ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana ka rava ny fitokonana. Niandry teo hatramin’ny maraina ny mpitandro filaminana fa ireo mpianatra kosa niverina tao amin’ny faritry ny oniversite. Marihana fa ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana fanadinana hatao atsy ho atsy ireo mpianatry ny oniversite ka mahatsiaro voahelingelin’ny fahatapahan-jiro. Tamin’ity aloha, araka ny vaovao azo, dia toa mifangaro resaka tsy mazava satria ny fahatahan-jiro dia tsy toy ny teo aloha fa mahalana ihany.

Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa miatrika ny fianarany an-davanandro ireo mpianatra. Tsy nisy moa ny naratra na voasambotra tamin’ity hetsika farany nataon’ny mpianatry ny oniversite ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS