Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 03h44
 

Malagasy

Melaky : Halatr’omby

Mpitondra fanjakana telo no tratra

mardi 11 septembre 2007 | Hery A.

Vokatry ny hetsika « Valabe » paik’ady hiadiana amin’ny halatr’omby dia saron’ny fokonolona ny dahalo miisa 10 lahy nangalatra omby miisa 75. Samy nanao ity valabe ity ny kaominina ao anatin’ny faritra Melaky, hitobian’ireo omby mba hananosarotra ny dahalo ny fangalarana omby. Ny tao amin’ny kaominina Tongodava no nahasaronan’ny fokonolona an’ireto dahalo ireto.

Dahalo ambony latabatra ihany koa

Araka ny vaovao azo dia anisan’ny nirotsaka an-tsehatra tamin’ity halatra omby ity ny delegem-panjakana iray sy lefitry ny ben’ny tanàna iray, ary sefo fokontany, vao avy nahavita fiofanana.

Soa fa tratra ambodiomby ry zalahy fa raha tsy izany dia efa vitany mora foana ny taratasy sandoka satria ao amin’izy ireo ihany izany no amboarina.
Heloka bevava no azo hisokajiana ny halatra omby, ary indrindra fa mpitondra fanjakana sarona toy izao dia hahazo ny sazy sahaza azy, efa natolotra ny fitsarana rahateo ireto dahalo ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS