Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 04h35
 

Malagasy

Antsiranana : Fampielezan-kevitra

Mpanao gazety norahonana tamin’ny basy

mardi 18 septembre 2007 | Hery A.

Mpanao gazety amin’ny radio roa any Antsiranana no nisy nandrahona tamin’ny basy, ny alahady tolak’andro teo, raha teo am-pandefasana indrindra ny dokam-barotry ny kandida TIM any an-toerana. Nisy lehilahy roa niditra ankeriny tao amin’ny radio 102.8 FM, ka nanambana basy ny mpanao gazety sady nandrahona sy nandrara ny fandefasana ny dokam-barotry ny kandida TIM. Namaly anefa ity mpiasan’ny haino aman-jery ka nilaza fa dokam-barotra andoavam-bola io alefa io, ary ireny no mba fidiram-bolan’ny radio. Rehefa avy nandrahona tao amin’ity FM 102.8 ity ireo olon-tsy fantatra dia nandrahona ny vehivavy iray mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana ka nilaza fa tokony halefany foana koa ny fampielezan-kevitry ny kandida tohanany.

Mandika lalàna

Araka ny vaovao azo dia fantatra ny kandida naniraka ireto olona nampihorohoro mpanao gazety ireto izay azo faritana fa mandika ny lalàna velona. Anjaran’ny CNE moa no manara-maso ny seho tahaka itony, nefa ankoatra ny lalàm-pifidianana dia mananjo hitory koa ny mpiasan’ny haino aman-jery norahonana ho faty.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS