Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h01
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Tanànan’Antananarivo : Fiparitahan’ny fako

    Mitaky vahaolana haingana

    lundi 7 janvier 2008 | Hery A. |  531 visites
    Efa voatatitra an-gazety matetitetika ihany ny akon’ny nanapahan’ny orinasa Jirama ny jiro sy rano eny amin’ny faritra sasany eto Antananarivo renivohitra, saingy toa tsy misy fanantenana ihany raha ny firesaky ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny tenany ny faran’ny herinandro teo. Nitanisa ny trosan’ny kaominina ny tenany ary naneho fa misy ny sakatsakana amin’ny hanatanterahany ny asany. Hatreto aloha dia nambarany fa tsy misy ny vola handoavana ireo (...)
  • Ampefy : voka-pifidianana nifamadika

    Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina

    vendredi 4 janvier 2008 | Hery A. |  619 visites
    Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina Ampefy nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo ben’ny tanàna vaovao ao anatin’ny faritra Itasy omaly alakamisy. Tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana no ametrahana ireo ben’ny tanàna ireo, ka tamin’ny fandalovan’ny delegasiona tao Ampefy dia nanao fihetsiketsehana ny mponina izay tsy nanaiky ny nametrahana ny ben’ny tanàna avy amin’ny antoko tim. « Tsy hanaiky izahay fokonolona na hisy ra mandriaka aza ». Nambaran’ireo fokonolona fa (...)
  • Boriborin-tany faha-4

    Fantaro i Mandrangobato II

    vendredi 4 janvier 2008 | Hery A. |  921 visites
    Raha atao indray mijery dia tanàna fonenan’ny mpila ravinahitra ny fokontany Mandrangobato II ary mpanofa avokoa ny ankamaroany. Maro ireo trano manana endrika tsara any anatin’ny tanàna izay manana hofany antonony, eo amin’ny Ar 20000 hatramin’ny Ar 70000 isam-bolana. Tao anatin’ny taona, vitsy dia nampiova tanteraka ny fiainan’ny mponina teny ny fisian’ny làlana vaovao « Boulevard de l’Europe », avy eo Anosibe mivoaka any Soanierana, mamakivaky ny làlana Namontana. Honahona sy fotaka no niainan’ny (...)
  • Miova loko...

    jeudi 3 janvier 2008 | Hery A. |  814 visites
    Hatramin’ny niovan’ny fitondrana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra farany teo dia tsikaritra fa miova loko ny tanànan’Antananarivo. Miha takona ilay lokon’ny Kaominina mavo sy manga hatramin’izay, eny hatramin’ny nitantanan’ny olon’ny AKFM KDRSM ny tanàna. Tsy nisy naharatsy an’io loko io izay nokojakojain’ny ben’ny tanàna sy PDS nifandimby. Nampakatra avo ireo lokon’ny kaominina ireo aza ny nipetrahany amin’ny vola malagasy ambony indrindra. Ankehitriny dia toa hikoro ireto loko ka hiofo ho (...)
  • Analakely : Sary pika

    Tsy dia nandeha ny tsena

    jeudi 3 janvier 2008 | Hery A. |  443 visites
    Ireo mpaka sary sisa no mamita ny asa tsy vitany tamin’ny fetin’ny krismasy sy faran ‘ny taona iny ka nahazoan’izy ireo alàlana hijanonany eo amin’ny araben’ny Fahaleovantena Analakely sy eny anoloan’ny gara Soarano. Amin’ny ankapobeny dia miandry ireo olona naka sary izay mbola tsy naka ny sariny ireto mpaka sary ireto izay manodidina ny 300 eo no isany. Eo ihany koa ireo mbola miala sasatra ka tsy afapo loatra tamin’ny fakana sary fahatsiarovana, no mbola mankeny Analakely manatanteraka izany. Ar (...)
  • Akon’ny faran’ny taona

    Mbola nisy ny delestazy

    mercredi 2 janvier 2008 | Hery A. |  396 visites
    Fahoriana ho an’ny mponin’ny Maintirano iny herinanndro faran’ny taona 2007 iny satria nanomboka tamin’ny faha 27 desambra 2007 no tapaka ny jiro, hatramin’izao figadonan’ny taona 2008 izao. Mazava ho azy fa tsy nisy fety nahafapo tany an-toerana raha ny fetin’ny faran’ny taona no asian-dresaka. Tsy maintsy nekena na dia tsy lefitra aza, fa ny vidim-piainana koa no nanampy trotraka. Ny kojakojan’ny fety aloha dia nitobaka teny an-tsena saingy tsy nanintona loatra ny olona noho ny tsy fananana (...)
  • Antananarivo renivohitra : orambe tsy ankiato

    Vaky ny fefilohan’Andriantany

    lundi 31 décembre 2007 | Hery A. |  672 visites
    Tsy nampoizin’ny mponina teny Manarintsoa atsinanana ny nahavakisan’ny fefiloha miaro ny lakan-dranon’Andriantany tsy hiakatra. Vokatry ny orambe nandritra ny zoma alina no nahavaky ity fefiloha ity ka avy hatrany dia nisian’ny antso vonjy ranovaky. Olona miisa 112 no fantatra tamin’ny sabotsy fa traboina raha mponina miisa 353 no voakasiky ny loza mitatao. Ny sabotsy vao maraina dia namoaka izay entana azo navotana teo ny traboina sy ny manodidina ary niandry izay fanampiana. Tonga teny (...)
  • Anosizato-Andrefana

    Tsy nisy nandrahona ny ben’ny tanàna

    vendredi 28 décembre 2007 | Hery A. |  345 visites
    Mbola mampisavoritaka ireo kaominina sasantsasany ny akon’ny fihantsiana nandritra ny propagandy ka zary mihitatra ho fanakorontanana mihitsy ny amin’ny faritra sasany. Ny etsy amin’ny kaominina Anosizato andrefana no nandrenesam-peo tato ho ato nanoloana indrindra iny fifidianana ben’ny tanàna iny. Mandeha ny feo fa misy mandrahona ho faty ny ben’ny tanàna vaovao ramatoa Laurence, kandida mahaleo tena. Rehefa zohina anefa ny raharaha dia vinavinan’ny mpanakorontana ihany satria nisy ny (...)
  • Antanifotsy

    Naloan’ny mponina ny TIM

    jeudi 27 décembre 2007 | Hery A. |  763 visites
    Tsy mba toy ny teto Antananarivo renivohitra no nandoavan’ny mponin’Antanifotsy ny kandida natolotry ny TIM tao amin’ny kaominina Antanifotsy, distrikan’Antanifotsy nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo fa tena tsy fahafahampo amin’ny zava-bitan’ity antoko ity hatramin’ny nitantanany ny tanàna. Ela no nimenomenonana amin’ny lafiny fampandrosoana rehetra saingy iny fifidianana iny no fotoana nanehoana hevitra ka dia io niharihary io. Diso fanantenana ny antoko TIM satria nihevitra ho lany (...)
  • Akon’ny Noely

    Ny fiangonana no tompon’ny fety

    mercredi 26 décembre 2007 | Hery A. |  660 visites
    Lava dia lava ny andro tsy fiasana tamin’ity andron’ny krisimasy ity ka nahafahan’ireo kristiana sy ny vahoaka nivalampatra nankalazana ny fahaterahan’ny mpamonjy, tamin’ny fomba samihafa. Raha ho an’ny fiangonana FJKM « Ziona Fahazavana » Anosibe manokana dia nanomboka tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny krismasy izay nifandimbiasan’ny sampana ao am-piangonana. Saika niravaka tantara sy antsan-kira ireo andro rehetra hatramin’ny alin’ny faha 24 desambra izay nanaovana fotoam-pivavahana manokana. (...)
  • Alakamisy Fenoarivo : Fandrahonana

    Nametra-pialana ny mpiasan’ny kaominina

    vendredi 21 décembre 2007 | Hery A. |  443 visites
    Nametra-pialana mialoha ireo mpiasan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo noho ny fandrahonana nahazo azy ireo tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Araka ny nambaran’ireo mpamafa làlana sy mpiandraikitra ny tsena dia norahonan’ity kandida lany ben’ny tanàna ity izy ireo ka nambarany fa « ialahy no voaroaka voalohany» Voarain’ny ben’ny tanàna vaovao nandritra ny fifamindram-pahefana natao tao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo omaly maraina ireo fametraham-pialana (...)
  • Eto an-dRenivohitra

    Mirongatra ny harom-paosy

    jeudi 20 décembre 2007 | Hery A. |  506 visites
    Efa hatramin’ny andron’ny propagandy farany teo ireny no nirongatra ny harom-paosy teto an-dRenivohitra ary hatramin’izao ankatoky ny fety izao dia mbola miahoaho eny amin’ny toerana be olona sy eny ambonin’ny taxi-be ireo mpangarom-paosy. Voamarik’ireo jiolahy ny olona raha vao mamoaka vola fotsiny ka arahany mandrampahazoany ny vola, toy ny niseho tetsy Behoririka tamin’ny talata maraina teo. Lehilahy iray mpivarotra avy any Bezaha tonga nividy entana eto an-drenivohitra no lasibatra. (...)
  • CSM « Centre Sembana Mijoro »

    Hanohana ny vehivavy sembana

    lundi 17 décembre 2007 | Hery A. |  352 visites
    Hankalaza ny faha 5 taona nisiany ny fikambanana « Sembana mijoro » amin’ny taona 2008 ka alohan’izany dia nanomana hetsika hiarahany amin’ny « fonds Canadien d’initiatives locales» entina hanampiana ireo olona sembana ao anatin’ny fikambanana. Hisy ny fanofanana ireo vehivavy sembana any Antsiranana manomboka amin’ny faha 17 desambra, ho an’ny Toamasina amin’ny faha 7 janoary 2008 ary any Toliary amin’ny 4 febroary. Aorian’izay dia hanangana tetik’asa ireo vehivavy sembana ka hotolorana loka arakaraka (...)
  • Fikambanana « orchidophilie »

    Manao fikarohana eto Madagasikara

    samedi 15 décembre 2007 | Hery A. |  873 visites
    Nanomboka tamin’ny volana febroary 2002 no nanao fikarohana sy fitsirihana ny tontolon’ny voninkazo «orchidée» eto Madagasikara ny iraky ny fikambanana « société française d’orchidophilie Poitou-Charente et vendée», fikambanana mpikirakira ny «orchidée» maneran-tany. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia nambaran’ireto manam-pahaizana fa ilàna fijery vaovao ny mahakasika ity voninkazo ity izay zary potiky ny «tavy» sy doro ala izay mitahiry ireny harena voajanahary ireny. Tamin’ity fandalovany ity, (...)
  • Tanànan’Antananarivo

    Tohizo ny asa... Ra Andry ô !

    vendredi 14 décembre 2007 | Hery A. |  855 visites
    Miandry ny afitsoky ny ben’ny tanàna vaovao atoa Andry Rajoelina ny vahoakan’Antananarivo na dia mbola tsy nivoaka ofisialy aza ny vokatra izay nahazoany salan’isa mihoatra ny 60% tamin’ny fifidianana ny faha 12 desambra teo. Ny azo antoka aloha dia tsy ho afaka hanao na inona na inona ny tenany raha tsy tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ka midika izany fa ho fiainana teteza-mita no hiainan’ny mponin’Antananarivo mandritra ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona. Efa manao izay saim-pantany tokoa (...)
  • Akom-pifidianana : Anosizato Andrefana

    Nidina ny herin’aratra, niasa ny labozia

    jeudi 13 décembre 2007 | Hery A. |  411 visites
    Ny kaominina Anosizato andrefana no niavaka indrindra izay nahitana kandida miisa 3, samy vehivavy avokoa dia i Ramatoa Rabehaja Hanta sy ramatoa Laurence ary i Mama. Miisa 8 ny biraom-pifidianana ka ny 4 dia teny amin’ny EPP Anosizato andrefana, ary ny 4 teny amin’ny sekoly katolika Anosizato Andrefana. Tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana dia nidina ny herin’aratra ka tsy nahazaka ny jiro, ary voatery nampiasa labozia. Vokany dia tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any no (...)
  • Tsena an-katoky ny fety

    Mitaraina ny mpivarotra ara-dalàna

    mardi 11 décembre 2007 | Hery A. |  493 visites
    Dia mbola mikaikaika hatrany ireo mpivarotra ara-dalàna eto an-drenivohitra satria vao mainka miroborobo ny entana havoakan’ireo mpivarotra sinoa ho an’ny mpivarotra amoron-dàlana. Amin’izao voalohany izao dia tsy mahamenatra ireo mpivarotra amoron-dàlana ny manombana ny vidin’entana amin’ny vidiny avo sasaka mihoatra amin’ny eny amin’ny magazay sinoa, saingy rehefa atao ny ady varotra dia azo amin’ny antsasa-bidy ny entana. Ny kalitao aloha tsy dia tsara loatra ka mahatonga ny vidiny ho mora. Ny (...)
  • Fampielezan-kevitra

    Hipoka olona i Mahamasina

    lundi 10 décembre 2007 | Hery A. |  571 visites
    Nitorajofo i Mahamasina tamin’ny sabotsy tontolo andro teo, nandritra ny hetsika lehibe nokarakarain’ny mpanohana ny kandida natolotry ny TIM Hery Rafalimanana. Matihanina ny fikarakarana ny fampisehoana sy ny artista nanohana ny kandida, saingy na dia izany aza dia noporofoin’ireo vahoaka nameno ny kianjaben’ny Mahamasina fa ny fandaharan’asan’ny kandida no nandrasany. Taorian’ny kabarin’ny kandida tokoa dia niparitaka ireo vahoaka na dia mbola teo aza ireo artista malaza eto amin’ny tanàna, (...)
  • Hery Rafalimanana : Vakoka sy kolontsaina

    Adidin’ny ben’ny tanàna ny rova

    vendredi 7 décembre 2007 | Hery A. |  315 visites
    Taorian’ny nihaonan’ny kandida Hery Rafalimanana tamin’ny vahoaka teny Mahazoarivo omaly maraina dia nihazo ny rovan’i Manjakamiadana ny tenany sy ireo minisitra 3 mirahalahy ka nifampitafa tamin’ny zana-dRanavalona sy ny mpiasa teny an-toerana ary ny tompon’andraikitra voalohany atoa Miejamirado. Ao anatin’ny vinan’ny kandida Rafalimanana Hery voalohany ny fanatsarana ny vakoka sy kolontsaina ka anisan’ny manana antoka lehibe amin’ny fanamboarana ny rova ny kaominina, ary efa nandray anjara (...)
  • Vohemar : fampielezan-kevitra

    Nolavin’ny TVM ny horonan-tsarin’ny TIM

    jeudi 6 décembre 2007 | Hery A. |  836 visites
    Mitaraina ireo tanora mpikambana ao amin’ny « jeune TIM » avy aty amin’ny foibe noho ny tsy nandehanann’ny horonampeo sy sary tamin’ny haino aman-jerim-panjakana any Vohemar. Nambaran’ny mpiasan’ny TVM sy RNM tany an-toerana fa very ireo horonan-tsary ka izay no antony. Taty an-drenivohitra no natao ireo horonan-tsary ka ny minisitra « coach » manerana ny faritra no ampian’ireto tanoran’ny TIM ireto. Araka ny fiheveran’ireo tanoran’ny TIM dia sivana sy sakatsakana no natao azy. Etsy andaniny kosa dia (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS