Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h19
 

Malagasy

Tanànan’Antananarivo

Tohizo ny asa... Ra Andry ô !

vendredi 14 décembre 2007 | Hery A.

Miandry ny afitsoky ny ben’ny tanàna vaovao atoa Andry Rajoelina ny vahoakan’Antananarivo na dia mbola tsy nivoaka ofisialy aza ny vokatra izay nahazoany salan’isa mihoatra ny 60% tamin’ny fifidianana ny faha 12 desambra teo. Ny azo antoka aloha dia tsy ho afaka hanao na inona na inona ny tenany raha tsy tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ka midika izany fa ho fiainana teteza-mita no hiainan’ny mponin’Antananarivo mandritra ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona. Efa manao izay saim-pantany tokoa ireo mpivarotra amoron-dalana ary tao anatin’izay andro iray taorian’ny fifidianana izay dia efa niavosa sahady ny fako amin’ny faritra sasany. Ny mpiasa raikitra ao amin’ny kaominina no tokony hiandraikitra an’ireo, saingy fantatra fa mbola manao izay ho afany ny ekipan’ny PDS Rafalimanana Hery. Amin’ny ankapobeny moa dia tsy ho voatanisa ny asa tsara napetrak’ity PDS ity hovantanin’ny ben’ny tanàna vaovao, ka na eo aza ny fahafaham-pon’ny olona tamin’ny asa vitany dia manantena indray ny tetik’asa nahaliana tao anatin’ny fampielezan-kevitra. Na dia niainga tamin’ny olana amin’ny takelaka fanaovana dokam-barotra aza ny hambompo nanosika ny kandida Andry TGV hirotsaka ho ben’ny tanàna dia tsy nasiany resaka tokoa ny mahakasika an’io nandritra ny fampielezan-keviny. Manamafy ny tsy hampitomboany ny hareny ny fampanantenana fa tsy handray ny karama maha ben’ny tanàna azy.

Ho avy koa ny fampianarana maimaim-pona, ny kianja manara-penitra ho an’ny tanora. Dia sanatria ve ho toy ilay fampanantenana « 4L » isan-tokantrano ? Aleo aloha hiasa ny ben’ny tanàna. Tsy misy ny fialana olana amin’ny hoe « hanarina ny nosimbain’ny teo aloha » fa efa mba mamantam-bonona » ka tokony hanohy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS