Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h49
 

Malagasy

Anosizato-Andrefana

Tsy nisy nandrahona ny ben’ny tanàna

vendredi 28 décembre 2007 |  345 visites  | Hery A.

Mbola mampisavoritaka ireo kaominina sasantsasany ny akon’ny fihantsiana nandritra ny propagandy ka zary mihitatra ho fanakorontanana mihitsy ny amin’ny faritra sasany. Ny etsy amin’ny kaominina Anosizato andrefana no nandrenesam-peo tato ho ato nanoloana indrindra iny fifidianana ben’ny tanàna iny. Mandeha ny feo fa misy mandrahona ho faty ny ben’ny tanàna vaovao ramatoa Laurence, kandida mahaleo tena. Rehefa zohina anefa ny raharaha dia vinavinan’ny mpanakorontana ihany satria nisy ny fifandrifian-javatra tahak’izany tamin’ny ben’ny tanàna teo aloha. Nisy tokoa ny fandrahonana tamin’izany fotoana izany ka taona vitsy taty aoriana dia voan’ny lozam-piarakodia teo amin’ny fasan’ny karana ity ben’ny tanàna ka maty. Dia naresaka taorian’izay fa tratry ny tolaka ny ben’ny tanàna. Tamin’ity kosa dia toa resadresaka teny ho eny fotsiny na resaky ny olona entim-po no nilaza fa « te ho faty koa angaha ny ben’ny tanàna vaovao ? ». NIvadika ho tsaho ilay resaka ka amin’ny maha olombelona dia tsy maintsy misaritan-tsaina ihany. Hatramin’izao anefa aloha dia tsy nisy tohiny firy intsony ny resaka fa dia miandry ny asa vaovao ataon’ny ben’ny tanàna ny vahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS