Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h30
 

Malagasy

Vohemar : fampielezan-kevitra

Nolavin’ny TVM ny horonan-tsarin’ny TIM

jeudi 6 décembre 2007 | Hery A.

Mitaraina ireo tanora mpikambana ao amin’ny « jeune TIM » avy aty amin’ny foibe noho ny tsy nandehanann’ny horonampeo sy sary tamin’ny haino aman-jerim-panjakana any Vohemar. Nambaran’ny mpiasan’ny TVM sy RNM tany an-toerana fa very ireo horonan-tsary ka izay no antony. Taty an-drenivohitra no natao ireo horonan-tsary ka ny minisitra « coach » manerana ny faritra no ampian’ireto tanoran’ny TIM ireto. Araka ny fiheveran’ireo tanoran’ny TIM dia sivana sy sakatsakana no natao azy. Etsy andaniny kosa dia nampiantso ireo kandida hanao fihaonana mivantana « face à face » ny mpiasan’ny haino aman-jery any an-toerana nefa tsy misy sahy mifanatrika ka midika izany fa mafampana ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana any an-toerana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS