Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h53
 

Malagasy

Akon’ny faran’ny taona

Mbola nisy ny delestazy

mercredi 2 janvier 2008 | Hery A.

Fahoriana ho an’ny mponin’ny Maintirano iny herinanndro faran’ny taona 2007 iny satria nanomboka tamin’ny faha 27 desambra 2007 no tapaka ny jiro, hatramin’izao figadonan’ny taona 2008 izao. Mazava ho azy fa tsy nisy fety nahafapo tany an-toerana raha ny fetin’ny faran’ny taona no asian-dresaka. Tsy maintsy nekena na dia tsy lefitra aza, fa ny vidim-piainana koa no nanampy trotraka. Ny kojakojan’ny fety aloha dia nitobaka teny an-tsena saingy tsy nanintona loatra ny olona noho ny tsy fananana vola. Miakatra ny vidim-bary satria hifandrombahana ny milina fitotoam-bary. Efa nataon’ny mponina ny antso saingy toa samy efa variana amin’ny fanomanany fety avy ireo tompon’andraikitra ka izao tonga amin’ny taona vaovao izao ny fahavoazana.

Tsy dia misy valaka amin’izany ny zava-niseho tao Tanambao Manampotsy. Herinanandro talohan’ny faran’ny taona dia efa nanjaka ny delestazy. Tsy misy nandeha tamin’ny laoniny ny fety satria nanomboka tamin’ny 6 ora hariva hatramin’ny 8 ora na amin’ny 9 ora alina vao miverina.

Eo ihany ny fety tsy nahafapo fa ny tena tsy zakan’ny mponina dia izy ireo tsy afaka nanaraka vaovao nandritra ny herinandro faran’ny taona, hatramin’izao taona vaovao 2008 izao. Fantatra moa fa olana mahazatra no nahazo ny milina mpamatsy jiro any an-toerana dia ny olana ara-teknika.

Antananarivo kosa no nahazo tombony indrindra tamin’ny herin’aratra satria nandritra ny herinandro faran’ny taona 2007 dia tsy nisy ny delestazy.
Marobe ny fety nandritra ny alin’ny 31 desambra izay tsy nahenoana olana avy amin’ny herin’aratra loatra, afa-tsy ireo faritra sasany izay nahatapahan’ny jiro vetivety noho ny andro fahavaratra.

Ankoatry ny alim-pandihizana tamin’ireo trano fanaovana lanonana maro be teto an-drenivohitra sy ny manodidina moa dia saika nisokatra nanatanteraha « réveillon masina » ny ankamaroan’ny fiangonana teto an-drenivohitra. Omaly voalohan’ny taona 2008 no somary nangingina fa toa naka aina avokoa ny mpilanonana, afa-tsy ny mpanao gazety izay tsy nitsahatra niasa nandritra ny fety manontolo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS