Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h26
 

Malagasy

Akon’ny Noely

Ny fiangonana no tompon’ny fety

mercredi 26 décembre 2007 |  660 visites  | Hery A.

Lava dia lava ny andro tsy fiasana tamin’ity andron’ny krisimasy ity ka nahafahan’ireo kristiana sy ny vahoaka nivalampatra nankalazana ny fahaterahan’ny mpamonjy, tamin’ny fomba samihafa. Raha ho an’ny fiangonana FJKM « Ziona Fahazavana » Anosibe manokana dia nanomboka tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny krismasy izay nifandimbiasan’ny sampana ao am-piangonana. Saika niravaka tantara sy antsan-kira ireo andro rehetra hatramin’ny alin’ny faha 24 desambra izay nanaovana fotoam-pivavahana manokana.

Iraisana amin’ny rehetra io fa ny nampiavaka ny fotoana tamin’ny talata andron’ny krismasy dia ny hamaroan’ny olona namonjy fivavahana. Indroa niditra ny fiangonana ka feno hatrany an-tokotany . Nisy rahateo ny sakramentan’ny batisa tamin’io andro io. Ny tolakandro kosa dia anjaran’ny sampana sekolin’ny tenin’Andriamanitra no naneho ny fankalazana ny noely. Ny ankizy madinika no tompon’ny tsianjery sy ny hira teto ary nofaranana tamin’ny fizarana vatomamy. Ho an’ity fiangonana ity moa dia saika misy isan’andro ny fotoam-pivavahana na tsy andro fety aza, ka arak’izany dia mitohy ny fivavahana andavanandro. Fantatra kosa fa hiara-hitsena ny taona vaovao amin’ny alalan’ny antsan-kira fiderana an’Andriamanitra sy korana ao am-piangonana ny firaisan’ny sampana, amin’ny faha 31 desambra izao. Fanao isan-taona moa izy io saingy nohatsaraina hatrany hatrany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS