Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h56
 

Malagasy

Alakamisy Fenoarivo : Fandrahonana

Nametra-pialana ny mpiasan’ny kaominina

vendredi 21 décembre 2007 | Hery A.

Nametra-pialana mialoha ireo mpiasan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo noho ny fandrahonana nahazo azy ireo tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Araka ny nambaran’ireo mpamafa làlana sy mpiandraikitra ny tsena dia norahonan’ity kandida lany ben’ny tanàna ity izy ireo ka nambarany fa « ialahy no voaroaka voalohany » Voarain’ny ben’ny tanàna vaovao nandritra ny fifamindram-pahefana natao tao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo omaly maraina ireo fametraham-pialana ireo.

Delegasiona mafonja kosa no nentin’ny ben’ny tanàna vaovao nanatrika ny fifamindram-pahefana, natrehan’ny vadin-tany iray. Natolotry ny ben’ny tanàna teo aloha ramatoa Hanitra Nirhy Lanto ny antontan-taratasin’ny kaominina izay manambara ny tohin’ny asa efa natombony, toy ny nahazoana famatsiana rano fisotro madio, fifanarahana amin’ny ONG PROTOS avy any Belge sy ny FIKRIFAMA ary ny vondrona Eropeana. Vola ar 50 tapitrisa isan-taona no azo amin’ity fifanarahana ity izay maharitra 5 taona. Io moa dia tafiditra amin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna OPCI. Natolotra ihany koa ny trano fivoriana sy biraon’ny kaominina vaovao, volan’ny kaominina madiodio. Nambaran’ny ben’ny tanàna teo aloha fa tsy ananan’olona trosa ny kaominina na ariary aza ary efa voaloa avokoa ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina miisa 28, hatramin’ny faran’ny taona 2007. Tsiahivina fa kaominina vao miana-mandeha i Alakamisy Fenoarivo ary efa nosokafan’ny ben’ny tanàna teo aloha ny lalana rehetra ho vantanin’ny ben’ny tanàna vaovao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS