Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Anosibe

    Manamaimbo tanàna ny trondro maloto

    mardi 1er juillet 2008 | Hery A. |  625 visites
    Lanaky ny asa nandritra sy taorian'ny fety ny mpanadio ny tanànan'Antananarivo ka araraotin'ny sasany ny tsy fanarahan-dalàna sy fampihinanana maloto ny vahoaka. Mirongatra indray ny fivarotana trondro maloto amin'izao fotoana izao. Ny eny amoron-dalana aloha no tena ahitàna azy, toy ny etsy Anosibe, manamorona ny lalam-baovao ho any Namontana sy Soanierana iny. Taorian'ny fety dia nidofaka ny fofo-trondro maloto, nirongatra ny lalimanga. Samy manaporofo ny maha trondro maloto azy ny (...)
  • Atsimondrano

    Mamolava ny mpamily taxi-be

    lundi 30 juin 2008 | Hery A. |  469 visites
    Hatramin'izao dia mbola mampijaly ny mponina eny amin'ny faritra atsimondrano eny ireo taxi-be. Fitarainan'ny mpandeha no nisesisesy tato ho ato satria efa tsy rariny intsony hoy izy ireo. Amin'ny elanelan'andro aloha dia ny fifanenjehana no mafotaka, hany ka mitaintaina tsy ankiato ny mpandeha, ny fiara rahateo efa tena ratsy ka atahorana. Ny zotra 137 sy ny 172 no tena ilain'ny mponina eny ary ny fahafantaran'izy ireo izay filàna azy izay no anaovany tsinontsinona ny mpandeha. Ao ny tsy (...)
  • Fanefitry ny SIDA

    Marary 7 no efa sitrana

    samedi 28 juin 2008 | Hery A. |  1797 visites
    Mety hampidi-bola amina lavitrisa maro ho an’i Madagasikara ilay fanefitry ny Sida hitan’ireo mpikaroka notarihan’ny Profesora Andriamanalina Nirina. Mety hitondra fampandrosoana sy fanovàna lehibe ny fiainan’ny firenentsika izany. Misy ny porofo hahafahan’ireo mpikaroka manamarina izany. Manoloana ny resa-be mandeha etsy sy eroa mikasika ilay fahitana ny fanafan’ny SIDA, dia nanambara ry zareo mpikaroka fa tsy fanafody « médicament » no vitan’izy ireo fa fanefitra « remède » ihany. Tsy (...)
  • Antoko « Tambatra »

    Rava ny fikasana hanao filan-kevitra nasionaly

    samedi 28 juin 2008 | Hery A. |  338 visites
    Rava ny fivoriambe nokasain'ny antoko «Tambatra» hatao tao Fianarantsoa, talohan'ny Fetim-pirenena teo iny. Araka ny nambaran'ny mpitarika ny antoko, Beza Seramila, dia efa vonona ny mpikambana rehetra, ary efa tonga tany an-toerana avokoa ny mpikambana avy amin'ireo faritra 22. Talohan'ny fikarakarana dia efa nangataka alàlana tamin'ny fitondram-panjakana ny antoko ary nekena am-bava tamin'izany fotoana izany. Taorian'ny fangatahana an-taratasy nataon'ny fikambanana anefa dia tsy nomena (...)
  • Karatra mena

    « Aok’izay ny fampiasana ankizy »

    lundi 23 juin 2008 | Hery A. |  485 visites
    «Aok'aloha» io izao no malaza manerana ny nosy noho ny hetsik'ireo karazana fikambanana miaro ny zazavavy tsy ho lavon'ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana. Toa manome fanantenana ireo manam-paniriana hanao firaisana ara-nofo ihany anefa ny fampiandrasana, hany ka na ireo zazavavy omena ny karatra mena aza dia tsy resy lahatra loatra. Raha tsy nieritreritra firaisana ny tenan'ny zazavavy iray, fa vonona handà tsotra izao raha misy mangataka aminy, dia toa lasa azon'ny fakampanahy ka te (...)
  • Fivoriambe Afrikana

    « Roso ny dia », hoy ny praiminisitra

    jeudi 19 juin 2008 | Hery A. |  320 visites
    Tamin’ny faha 17 jona no napetraka ny vato fehizoro ho fananganana ireo trano handraisana ireo Filoham-panjakana sy vahiny, hiatrika ilay fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina amin’ny 2009 ho avy izao. «Tsy hisalasala aho hilaza fa roso ny diantsika amin’ny fandraisana izany fihaonana manan-tantara izany», hoy ny praiminisitra Rabemananjara Charles Afaka mirehareha ny Malagasy satria manamafy hatrany ny fanohanany an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka, na ara-bola izany, na (...)
  • Anosibe Mandrangobato II

    Zava-maneno manakotaba fiaraha-monina

    mardi 17 juin 2008 | Hery A. |  875 visites
    Samy manao izay saim-pantany ireo olona manana zava-maneno ka entina manakotaba fiaraha-monina na dia fantatra izao aza fa misy lalàna mandrara izany. Nandritra ny herinandro teo izay no namoahan’ity mpivarotra fanaka iray ny zava-manenony eo amoron’ny arabe. Mitatatata tsy ifandrenesana izany mandritra ny tontolo andro, na elanelan’andro na alahady. Maro no manao ity fihetsika manafintohina ny mpiara-monina ity saingy ity eo amin’ny fokontany Mandrangobato II etsy Anosibe ity dia fanahy iniana (...)
  • Fanadinana CEPE 2008

    Nanome tsodrano ny filoham-pirenena

    samedi 14 juin 2008 | Hery A. |  434 visites
    Hafatra avy amin’ny filoham-pirenena malagasy no nampitain’ny praiminisitra Rabemananjara Charles, dia ny firarian-tsoa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahana amin’ny faha 16 jona izao. Ny EPP Anosibe no nofidian’ny governemanta nampitàna izany firariantsoa izany, omaly zoma maraina, ka tonga teny an-toerana ny tenany nanambara izany. Miisa 400 mianadahy ireo mpianatry ny EPP Anosibe hiatrika ny fanadinana CEPE. Notoloran’ny fitondram-panjakana fitaovam-pianarana (...)
  • Port-Bergé

    Sarona ny vola sandoka ar 3 tapitrisa mahery

    vendredi 13 juin 2008 | Hery A. |  685 visites
    Lehilahy miisa 3 mpanao vola sandoka no saron’ny mpitandro filaminana tao amin’ny hotely iray ao Port-Bergé, tamin’ny alarobia lasa teo. Sarona tamin’izy 3 lahy ny fitaovana fanaovany ny vola sandoka, toy ny loko mena sy manga, alikaola ary fitaovana madinidinika samihafa. Vola sandoka ar 10.000, mitotaly ar 3.138.000 no mbola tavela tamin’izy 3 lahy. Nanamafy ny maha jiolahy raindahiny azy ireto koa ny nahasaronana basy « PA » miisa 4 be izao, miaraka amin’ny bala mahafaty miisa 4. Niaiky ny asa (...)
  • Soanierana Ivongo - Sainte Marie

    Tsy navela niasa ny lakana haingam-pandeha

    jeudi 12 juin 2008 | Hery A. |  589 visites
    Nihitsoka ny fitaterana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy ny nosy Sainte Marie, omaly maraina ka saika niteraka savorovoro tany Sainte Marie mihitsy. Tsy nisy niasa ny lakana haingam-pandeha noho ny filazana ofisialy navoakan’ny kaominina Soanierana Ivongo. Voalaza tamin’io fanambarana io fa tsy mahazo mampiasa ny fitaterana olona ireo lakana haingam-pandeha. Ny fivezivezen’ireo lakana haingam-pandeha amin’ny faritra iadidian’ny kaominina Soanierana Ivongo no voakasiky ny fanambarana, ka noho (...)
  • Lalam-baovao Anosibe

    Manjaka ny tsy ara-dalàna

    mardi 10 juin 2008 | Hery A. |  544 visites
    Maro no efa tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ny fanaovana ny rakim-peo sy rakitsary hosoka, saingy toa mbola maro no manao bizina ity herimpon’ny artista ity. Amidin’ny olona eny amoron-dalana ireo rakikira isankarazany. Amin’iny moron-dalana Anosibe iny no tena feno azy, maraina hatramin’ny hariva. Ifandrombahana ireo rakikira sy rakitsary an’ny artista malaza malagasy sy vahiny, ahitana an-dry Ndondolah sy Tahiry, Rossy, Melky, Rebika, Mahaleo sns... Raha tombanana dia saika ny (...)
  • Ambatondrazaka • mosavy « Vola mafana »

    Nivonto teo no ho eo ny tanan’ilay mpanangom-bokatra

    samedi 7 juin 2008 | Hery A. |  1211 visites
    Lehilahy iray mbola tanora, mpandraharaha amin’ny fanangonam-bokatra no tratry ny hasomparan’ny mpiara-miasa aminy ka potika noho ny resa-bola ar 1 hetsy monja. Nasian’olona tamin’ny famosaviana antsoina hoe « Vola mafana » ka saika nanaraka hatramin’ny aina. Araka ny fanaon’ity mpandraharaha tanora ity dia manangom-bary any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny tenany isaky ny fotoana fiakaran’ny vokatra tahaka izao. Misy ny namany amin’ity asa ity, monina any Ambatondrazaka ka nindrana vola ar 1 hetsy (...)
  • Mpitarika sarety

    Ampiharin’ny polisim-pirenena ny lalàna

    samedi 7 juin 2008 | Hery A. |  484 visites
    « Tsy fidiny anay ny hitarika sarety, sady faralahin’asa rahateo » : izay no fitenin’ireo mpitarika sarety. Efa noterena hanolo ny kodiaran’ny sarety ho kodiarana fiara tokoa ireto mpitrongy vao homana ireto. Mafy ny nanjo azy ireo tamin’izany satria tsy maintsy nividy kodiarana lafo. Ankehitriny dia tsy mahazo miseho masoandro fa amin’ny 6 ora hariva vao mahazo miasa. « Inona no asa ataonay amin’ny alina eo ? » hoy ihany ireo mpitarika sarety. Ny mpanjifa tokoa aloha tsy handefa ny entany amin’ny (...)
  • Mpampianatry ny FRAM

    Tsy nandray karama 3 volana

    samedi 31 mai 2008 | Hery A. |  276 visites
    Telo volana izay no tsy nandray ny tambi-karamany ireo mpampianatra karamain’ny FRAM, amin’ny EPP sasany eto an-drenivohitra. Ilay fanampiana avy amin’ny fanjakana ity tsy azo hatramin’izao ity, ka raha araka ny nambaran’ireo mpanabe dia ar 60000 isam-bolana ilay vola. Mbola ireto mpanabe ireto ihany koa anefa ilay tsy nandray ny tambikaramany tamin’ny fitsarana fanadinana BEPC tamin’ny taon-dasa, hatramin’izao. Angamba, hoy ireo mpanabe, tsy avy amin’ny fisolosoloan’ny minisitra loatra no antony (...)
  • Angarangarana

    Vehivavy namaky trano

    samedi 31 mai 2008 | Hery A. |  507 visites
    Vehivavy iray no saron’ny fokonolona nitaona entan’olona teny Anosibe Angarangarana, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo. Efa minitra maromaro no nitaoman’ireo mpangalatra ny entana isankarazany toy ny fahitalavitra sy kojakojan-tokantrano maro, vao tonga saina ny olona sasany nandinika ny fihetsik’izy ireo toa mahimahina. Tsy naharitra ireo mponina nahita ny fisehoan-javatra ka nanadihady avy hatrany. Fantatra teo fa entan’olona ireto taomina ireto. Toy ireny olona mifindra trano ireny (...)
  • Miara-mientana

    samedi 24 mai 2008 | Hery A. |  593 visites
    Fahendrena sy fihavanana. Io no vokatry ny herimpon’ny artista malagasy, nahay nampangina ny endrika politika amin’ny fandraisana ny tarika Rossy. Maro mantsy no mety ho nalaim-panahy ka maniry loza, amin’ny hifikiran’ny resaka politika hiarahana amin’ny tarika Rossy. Olon-dehibe nifanaiky ny tenany sy ny filoha Ravalomanana, ary ny mpikarakara. Toa mety tokoa hatramin’izao. NY artista malagasy moa dia nametraka ny lanjan’ny maha kanto an’ireo fampisehoana nataon’ity tarika ity. Tsy azo odian-tsy (...)
  • Fanodikodinana olona

    7 taona tsy hitan-dreniny

    samedi 24 mai 2008 | Hery A. |  813 visites
    Nandritra ny 7 taona no tsy navela hifanatri-tava amin’ny zanany ny renim-pianakaviana iray avy any amin’ny faritra Vakinankaratra iny. Tamin’ny taona 2001 no nalain’ny ramatoa iray ny zazavavy 12 taona, zanaky ny zaobaviny, ka nasainy niasa taman’olona. Ar 10 000 isam-bolana no karama tamin’izany. Tsy raisin’ilay zazavavy miasa anefa ny vola fa alefa any amin’ny ray aman-dreniny. Nangataka ny hahita tava ny zanany ilay ramatoa saingy rehefa manatitra ilay karama Ar 10 000 ilay ramatoa nanera (...)
  • Mpivarotra amoron-dàlana

    La Réunion kely no vahaolana

    mardi 20 mai 2008 | Hery A. |  638 visites
    Miha madio ny sisin-dàlan’Antananarivo, indrindra ny ao ampovoan-tanàna ao. Nandritra ny herinandro teo ho eo izay no nahafoana ny mpivarotra amoron-dàlana teny Andohan’Analakely sy Ambohijatovo iny. Nesorina ihany koa ireo mpivarotra tavoahangy ao ambadiky ny « pavillon » Analakely, saingy toa efa niverina tsikelikely indray izy izao. Tsy lasa lavitra Tsy miala lavitra anefa ireo mpivarotra fa milanjalanja ny entany eny, ka raha vao tsy mahatazana mpitandro filaminana na polisy kaominaly dia (...)
  • Antananarivo-Renivohitra

    Naato ny fanalàna diky

    jeudi 8 mai 2008 | Hery A. |  789 visites
    «Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, tsy afaka nanala maloto na diky intsony ny sampan-draharaha miandraikitra izany eto anivon’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra. Naato vonjimaika aloha io asa io ». Fanambarana nataon’i Liva Ramavozatovo, talen’ny Fotodrafitrasa eto Antananarivo izany ho valin’ny fanontaniana napetraka taminy. Nisy antony mazava nahatonga ny fivondronana ity fanapahan-kevitra ity. « Iray ihany ny fiarakodia eo ampelatanan’ny Kaominina voatokana hanao io asa io. Io fiarakodia (...)
  • Raharaha Mahandry

    Afaka madiodio ireo polisy voarohirohy

    mercredi 7 mai 2008 | Hery A. |  553 visites
    Manoloana ny raharaha fisamborana ireo jiolahy tarihan’i Mahandry dia polisy maromaro no voatonotonona ho mpiray tsikombakomba amin’ity jiolahy ity, ka mahatonga azy ireo ho tafaporitsaka isaky ny mifanehatra amin’ny polisy. Nisy hatrany ny fotoana voalaza fa nifanandrinan’ny polisy tamin’i Mahandry sy ny tariny ary izay fiporitsahana izay hatrany no zava-misy. Nanao fanadihadiana anatiny ny polisim-pirenena ka tamin’ny fifanandrinan’ny jiolahy sy ny polisy tetsy Ankerana, herinandro maromaro lasa (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS