Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 00h05
 

Malagasy

Fanefitry ny SIDA

Marary 7 no efa sitrana

samedi 28 juin 2008 |  1806 visites  | Hery A.

Mety hampidi-bola amina lavitrisa maro ho an’i Madagasikara ilay fanefitry ny Sida hitan’ireo mpikaroka notarihan’ny Profesora Andriamanalina Nirina. Mety hitondra fampandrosoana sy fanovàna lehibe ny fiainan’ny firenentsika izany. Misy ny porofo hahafahan’ireo mpikaroka manamarina izany.

Manoloana ny resa-be mandeha etsy sy eroa mikasika ilay fahitana ny fanafan’ny SIDA, dia nanambara ry zareo mpikaroka fa tsy fanafody « médicament » no vitan’izy ireo fa fanefitra « remède » ihany. Tsy tokony hampifangaroana amin’ny fanafody izy io araka izany, hoy izy ireo nanampy.

Natao andrana tamin’ny biby tokoa ilay fanefitra vao nitsaboana olona. Tarana-boalavo SWISS no nanaovana izany. Nampidirina tamin’ny vavan’ny voalavo ny fanafody rehefa nolevonina tao anaty DMSO-eau distillée. Daozy 300mg/kg ; 1500mg/kg ary 3000mg/kg no nampiasaina ary 0,5 ml isaky ny voalavo no nomena. Nahafahana namantatra ny tsy fisian’ny poizina tao amin’ity fanefitra ity io andrana natao io. Nisy ihany koa ny fanamarinana avy tamin’ireo mpikaroka, ny tsy fisian’ny otrikaretina ao amin’ity fanefitra ity.

Na izany aza hoy izy ireo, dia « immunodéficience » no resahina, ka noho izany dia ny olombelona ihany no ahafahana manamarina tanteraka raha mandaitra na tsia ilay fanefitra. Olona 7 no voalaza fa efa nampiasa ny fanefitra, ka nahazoam-baliny fahasitranana avokoa izy ireo taorian’izany, araka ny vaovao azo avy amin’ny ekipa siantifika sy fikarohan’ny A-72.

Teo am-pamaranana, dia nanamafy ireo mpikaroka sy mpahita fa vonona ny handray ny tolo-kevitra rehetra ho fanatsaràna ny zava-bita izy ireo. Marihan’izy ireo kosa, fa tokony hiandry ny fanazavana aloha ny tompon’andraikitra voakasika isan-tsokajiny vao manaratsy sy mamono afo. Hisy famelabelaran-kevitra hatao tsy ho ela araka izany mikasika ny maha-siantifika ny voka-pikarohana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS