Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 00h05
 

Malagasy

Lalam-baovao Anosibe

Manjaka ny tsy ara-dalàna

mardi 10 juin 2008 |  545 visites  | Hery A.

Maro no efa tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ny fanaovana ny rakim-peo sy rakitsary hosoka, saingy toa mbola maro no manao bizina ity herimpon’ny artista ity. Amidin’ny olona eny amoron-dalana ireo rakikira isankarazany. Amin’iny moron-dalana Anosibe iny no tena feno azy, maraina hatramin’ny hariva. Ifandrombahana ireo rakikira sy rakitsary an’ny artista malaza malagasy sy vahiny, ahitana an-dry Ndondolah sy Tahiry, Rossy, Melky, Rebika, Mahaleo sns... Raha tombanana dia saika ny rakikiran’ireo artista malaza amin’izao fotoana izao no miparitaka eny amoron-dalana eny, ary mbola anisan’izany ireo rakitsary, tantara malagasy. Ar 1000 hatramin’ny ar 1500 monja no vidin’ny kapila iray ka mifandrombaka ny mpividy. Vetivety anefa dia misy kapila marobe mitobaka indray.

Tsy mahagaga ny fisian’ny gaboraraka satria na ny polisy tokony hanala ireny mpivarotra amoron-dalana ireny aza dia tsy hita fa variana manenjika sarety sy posy. Na dia teo aza ireo olona sy fitaovana maro efa sarona dia azo antoka fa mbola misy tambazotra matanjaka mamatsy an’ireto ankizy mivarotra eto Anosibe ireto.

Etsy andaniny kosa dia toa mahazo vahana hatrany ny loka eo Anosibe eo. Manaporofo izany fa tsy misy mpandrara izy ireo. Eo avokoa ny « tourniqué », ny kodiakely, ny lôtô izay samy loka mamporisika ny ankizy hangalatra avokoa. Manampy trotraka moa ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa izay manome endrika iny faritra iny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS