Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 16h38
 

Malagasy

Ambatondrazaka • mosavy « Vola mafana »

Nivonto teo no ho eo ny tanan’ilay mpanangom-bokatra

samedi 7 juin 2008 |  1217 visites  | Hery A.

Lehilahy iray mbola tanora, mpandraharaha amin’ny fanangonam-bokatra no tratry ny hasomparan’ny mpiara-miasa aminy ka potika noho ny resa-bola ar 1 hetsy monja. Nasian’olona tamin’ny famosaviana antsoina hoe « Vola mafana » ka saika nanaraka hatramin’ny aina.

Araka ny fanaon’ity mpandraharaha tanora ity dia manangom-bary any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny tenany isaky ny fotoana fiakaran’ny vokatra tahaka izao. Misy ny namany amin’ity asa ity, monina any Ambatondrazaka ka nindrana vola ar 1 hetsy taminy tamin’ny fanangonam-bary niarahany farany. Amin’izao taom-panangonana vokatra manaraka izao anefa vao nitaky ilay vola ny tompony. Toa tsy nisy lonilony ny famerenana ilay vola, saingy vao nandray ilay vola ar 1 hetsy ity tovolahy dia nivontovonto avy hatrany ny tanany nandray ilay vola, ary nanenika ny tenany.

Tsy afa-niasa intsony ranamana fa voatery nolaniana nitsaboana tena tany Ambatondrazaka ny vola nokasaina nanangonam-bary.

Soa ihany fa maro ny olona mahalala ity famosaviana ity, sady betsaka koa ny mpitsabo . Na izany aza dia tsy niverina amin’ny laoniny intsony ny endrik’ity tovolahy ity fa lasa nikainkona.

Marihana fa tamin’ny fanombohan’ny fanangonam-bokatra amin’ity taona ity no nisehoan’ny tantara.

Aretina efa nisy taloha

Ankehitriny dia manontany tena avokoa ireo mponina ao Ambatondrazaka satria raha ny « ambalavelona » no nampalaza ity faritra ity, dia efa foana hatramin’ny ela izany, ary efa miroso amin’ny fivavahana ny ankamaroan’ny olona.

Ity aretina famosaviana mivantana ity kosa dia toa efa nialan’ny mponina ihany koa, raha nalaza nanarakaraka ny ambalavelona.

« Vola mafana » no anaran’ny aretina. Mbola any amin’ity faritra ity ihany no nisian’ny famosaviana amin’ny alalan’ny vola, saingy efa ela no tsy nisy nampiasa intsony.

Tsy azo noraisina ny vola hita eny an-dàlana eny. Araka ny tsilian-tsofina tamin’izany fotoana izany mantsy dia maty ny olona voakendry handray izany.

Midika izany fa mbola misy ny asan’ny maizina ka mamorika sy mandatsaka ain’olona mihitsy. Fantatry ny olona rehetra moa ity nahavanon-doza, saingy toa mampihorohoro ny manodidina ny fahasahiany. Araka ny vaovao azo ihany, dia toa mody tsy taitra ny lehilahy ary tsy ampoizina hamorika ampahibemaso toy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS