Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 17h45
 

Malagasy

Fivoriambe Afrikana

« Roso ny dia », hoy ny praiminisitra

jeudi 19 juin 2008 |  320 visites  | Hery A.

Tamin’ny faha 17 jona no napetraka ny vato fehizoro ho fananganana ireo trano handraisana ireo Filoham-panjakana sy vahiny, hiatrika ilay fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina amin’ny 2009 ho avy izao.
« Tsy hisalasala aho hilaza fa roso ny diantsika amin’ny fandraisana izany fihaonana manan-tantara izany », hoy ny praiminisitra Rabemananjara Charles

Afaka mirehareha ny Malagasy satria manamafy hatrany ny fanohanany an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka, na ara-bola izany, na ara-teknika ; toy izao fananganana fotodrafitrasa izao.

Notsiahivin’ny praiminisitra teto fa Villa 54 no haorina eto amin’ity toerana ity
Ny Groupe AFECC (Anhui Foreign Economic Construction Group) no namatsy vola sy manatanteraka ny asa

Amin’ny volana mai 2009 no tokony ho vita ny asa rehetra
Ny Malagasy no niantoka ny tany izay mahatratra 12 ha ny velarany.
Manana ny anjara toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Inoana fa mainka hanatsara ny endriny ity fihaonana an-tampony ity. Ary hampiroborobo ny fiarahantsika miasa amin’ny any ivelany.

Fa inona tokoa moa maha-zava-dehibe ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao amin’ny Vondrona Afrikanina ?

Tsy afaka miolonolona irery isika, na dia Nosy aza, indrindra amin’izao andron’ny fanatontoloana izao. Efa mpikambana feno ao amin’ny SADC na ny Fikambanana ho fampandrosoana ireo firenena ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika isika.

Mpikambana ihany koa ao amin’ny COMESA, izay tsena iombonan’ny firenena aty amin’ny Faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika.

Ankoatr’izay dia hihamafy ny fiaraha-miasantsika amin’ireo faritra ireo sy izao tontolo izao, amin’ny alalan’ilay fametrahana backbone international, fibre optique, miainga avy atsy Durban-Afrika Atsimo mankany Toliara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS