Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 16h38
 

Malagasy

Atsimondrano

Mamolava ny mpamily taxi-be

lundi 30 juin 2008 |  470 visites  | Hery A.

Hatramin’izao dia mbola mampijaly ny mponina eny amin’ny faritra atsimondrano eny ireo taxi-be. Fitarainan’ny mpandeha no nisesisesy tato ho ato satria efa tsy rariny intsony hoy izy ireo. Amin’ny elanelan’andro aloha dia ny fifanenjehana no mafotaka, hany ka mitaintaina tsy ankiato ny mpandeha, ny fiara rahateo efa tena ratsy ka atahorana. Ny zotra 137 sy ny 172 no tena ilain’ny mponina eny ary ny fahafantaran’izy ireo izay filàna azy izay no anaovany tsinontsinona ny mpandeha. Ao ny tsy mitondra tapa-dàlana, ao ny manao fanahy iniana mamaly famerim-bolan’olona, na mampidina am-pandehanana mihitsy raha toa ka vaventy ny vola. Ny teny ratsy sy ny eson-teny amin’izany manginy fotsiny, izay iheveran’ireo resevera fa olona ambany no mitaingina taxi-be. Ny loza dia ny tsy fahaizan’ny ankamaroan’ireo mpamily. Tamin’ny sabotsy teo, ohatra dia iray tamin’ireo taxi-be (0767 T... )ireo no nandona ankizy kely nivoaka ny fiara teo Andoharanofotsy. Efa hitan’ity mpamily fa mijanona ny fiara eo alohany, ary misy olona mivoaka, saingy nalefany ihany ny fiarany. Hay nilaozan’ity mpamily nanisa vola kanefa ny fiara sady mandeha ihany. Raikitra ny tabataba. Mandeha daholo ny ompa sy teny ratsy. Ilay mpamily moa tsy taitra fa ny volany ihany no nolalaoviny, ary ny fiara dia tsy najanony raha tsy nitohoka tamin’ilay fiara teo alohany. Nitazam-potsiny kosa aloha ny zandary teo akaiky teo e ! Toa efa mifankahalala rahateo ry zalahy ka tsy nisy resaka. Tsiahivina anefa fa vokatry ny tsy fitandreman’ireo taxi-be no nahafaty zaza iray tamin’ny herinandro iny.

Raha ny faran’ny herinandro indray dia aleo mihitsy tsy mandeha raha saro-tahotra. Mandeha mafy ry zalahy ary mila hivadika mihitsy ny fiara. Efa tonga any amin’ny alehany ny mpandeha vao mahatsikaritra hoe mamo ilay mpamily. Tsy vitan’izay fa saika ny resevera no mitondra ny fiara. Ny fahazoan-dalan’ireo mpamily aza efa heverina ho « permis-mborontsiloza » koa mainka fa ny an’ny resevera ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS