Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 09h31
 

Malagasy

Angarangarana

Vehivavy namaky trano

samedi 31 mai 2008 |  508 visites  | Hery A.

Vehivavy iray no saron’ny fokonolona nitaona entan’olona teny Anosibe Angarangarana, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teo. Efa minitra maromaro no nitaoman’ireo mpangalatra ny entana isankarazany toy ny fahitalavitra sy kojakojan-tokantrano maro, vao tonga saina ny olona sasany nandinika ny fihetsik’izy ireo toa mahimahina. Tsy naharitra ireo mponina nahita ny fisehoan-javatra ka nanadihady avy hatrany. Fantatra teo fa entan’olona ireto taomina ireto. Toy ireny olona mifindra trano ireny no fitaomana ireo entana. Olona mivady moa no saron’ny olona ka kilemaina ara-batana ilay rangahy. Niaiky kosa ilay ramatoa fa halatra ireo entana, saingy tsy nambarany ny toerana nangalarany azy. Ny olona teo amin’ny manodidina no nanambara fa tsy lavitra eo ny trano novakian’izy ireo, saingy mbola tsy nahazoana fitarainana teo no ho eo satria tsy tao angamba ny tompon-trano. Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ireto mpangalatra. Soa fa nisy niaro ka niantso mpitandro filaminana.

Manenjika mafy tokoa ny fahantrana ka mahatonga ny olona sasany ho tsy hatahotra na dia zava-doza aza no ataony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS