Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 16h38
 

Malagasy

Karatra mena

« Aok’izay ny fampiasana ankizy »

lundi 23 juin 2008 |  486 visites  | Hery A.

« Aok’aloha » io izao no malaza manerana ny nosy noho ny hetsik’ireo karazana fikambanana miaro ny zazavavy tsy ho lavon’ny firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana. Toa manome fanantenana ireo manam-paniriana hanao firaisana ara-nofo ihany anefa ny fampiandrasana, hany ka na ireo zazavavy omena ny karatra mena aza dia tsy resy lahatra loatra. Raha tsy nieritreritra firaisana ny tenan’ny zazavavy iray, fa vonona handà tsotra izao raha misy mangataka aminy, dia toa lasa azon’ny fakampanahy ka te hieritreritra fa : « hay azo atao ihany, fa miandry kely aloha ». Izay no mety ho fiheveran’ny tovovavy sasany azy, ka zary lalana ho an’ny fitepon’ny fitiavany haingana loatra raha dinihana. Na izany aza, azo lazaina ho mampivelatra ny tanora ihany izany, satria tsy vitan’ny ray aman-dreny ny miresaka firaisana ara-nofo amin’ny zanany. Tsy mahasolo ray aman-dreny anefa ny karatra mena ka eo ihany ny fahasahiana hanohitra.

« Aok’izay » Mbola ny ankizy ihany no voaresaka eto, iray volan’ny ankizy rahateo ny volana jona. Ny fampiasana ankizy tsy ampy taona no anaovana antso. Mbola maro no minia mampiasa zaza tsy ampy taona matoa misy ny hiaka manao hoe « Aok’izay ». Tsiahivina eto indray fa tsy manana ny ho aviny ireny ankizy ampiasaina ireny. Raha ny eto an-drenivohitra dia tsapa fa afaka manohy fianarana ihany ny ankamaroan’ireo ankizy atao mpiasan’olona, saingy tia tena ny lehibe ka ataony boto sy mpamelona azy fotsiny. Manginy fotsiny ny gidragidra sy latsalatsa ataon’ny mpampiasa sasany. Hianteherana amin’ny mpiasa ny fiainan-tokantrano, saingy mandefa ny ila-tongotry ny ankizy ho any am-ponja sahady izany.

Ao anatin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra izao ny eto Madagasikara. Tsy mba avela hiala sasatra ireny ankizy ampiasaina ireny fa mitombo asa amin’ireto mpianatra vakansy. Ireo ankizy ireo indrindra anefa no tena mampitondra faisana ny mpiasa, indrindra fa mpiasa tsy ampy taona no alaina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS