Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 13h08
 

Malagasy

Mpitarika sarety

Ampiharin’ny polisim-pirenena ny lalàna

samedi 7 juin 2008 |  485 visites  | Hery A.

« Tsy fidiny anay ny hitarika sarety, sady faralahin’asa rahateo » : izay no fitenin’ireo mpitarika sarety. Efa noterena hanolo ny kodiaran’ny sarety ho kodiarana fiara tokoa ireto mpitrongy vao homana ireto. Mafy ny nanjo azy ireo tamin’izany satria tsy maintsy nividy kodiarana lafo. Ankehitriny dia tsy mahazo miseho masoandro fa amin’ny 6 ora hariva vao mahazo miasa.

« Inona no asa ataonay amin’ny alina eo ? » hoy ihany ireo mpitarika sarety. Ny mpanjifa tokoa aloha tsy handefa ny entany amin’ny alina noho ny fandriampahalemana.

Mbola ny polisim-pirenena ihany koa no nisakana ireo sarety sy posy mandeha an-dalambe amin’ny andro antoandro.

Roa andro izay no niasan’izy ireo teny Anosibe, toerana tena fiasan’ny sarety sy ny posy. Voasakana teo anoloan’ny farmasia Volahanta ireo sarety marobe nitondra entana. Polisy maromaro no nandray ny andraikitra ka na teo aza ny fahakivian’ireo mpikarama, dia tsy afa-nanoatra fa dia niharan’ny sazy. Somary mahatsikaiky satria toa asan’ny polisy kaominaly ireny. Notaritin’ny polisy ho any Anosipatrana sy Antsakaviro ireo sarety ka nahavariana ny mpandalo.

Sarety am-polony no nasaina nandoa ar 600 isan’andro nandritra ny fotoana nitazonana azy.

Aiza ny polisy
kaominaly ?

Mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo ny polisim-pirenena, izay fantatra fa fiaraha-miasa amin’ny kaominina. Nandritra ny andro maromaro izay no nampiharana ny lalàna mahakasika ny fifamoivoizana ka saika voakasika avokoa ireo lalàna efa napetraka, toy ny fanaovana aroloha, raha mitondra moto, asiana jiro ny bisikileta, foanana ny fampiasana finday rehefa mitondra fiara sns... Fa tsy dia voaresaka kosa aloha ny fitaratra miloko amin’ny fiara e ! Betsaka ireo tsy nanara-dalàna ka minainaina, indrindra ny moto sy ny bisikileta. Nosaziana izy ireny ka notànana ny fananany mandrampaha-ara-dalàna azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS