Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h42
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Fokontany Anosibe andrefana II

    Tsy nisy naka ny kara-pifidianana

    lundi 17 mars 2008 | Hery A. |  332 visites
    Tsy nihoatra ny 5 % ireo mpifidy tonga nandatsa-bato tamin’ireo biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Anosizato, omaly hatramin’ny 12 ora antoandro. Nisokatra tamin’ny 7 ora maraina ny birao fandatsaham-bato , ary nanomboka teo dia zara raha nisy olona iray isaky ny fahefatr’adiny. Tao amin’ny biraom-pifidianana laharana faha 002 ohatra dia 5 %, tamin’ny 11 ora teo ho eo, tao amin’ny laharana faha 3 dia 3% ary ny birao faha 4 dia 4%. Torak’izany koa ny tao amin’ny birao laharana faha 20 izay nahitana (...)
  • Antoko Arema

    Kongresy tsy nahafeno fepetra

    lundi 10 mars 2008 | Hery A. |  659 visites
    « Kongresy tsy mahafeno fepetra ! Kongresy mitsipaka ny filoha mpanorina » Io no nambaran’ireo mpikatroka Arema teny amin’ny foiben-toerany vonjimaika eny Anosizato omaly alahady raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. « Mandainga ireo ninia nanao ny kongresy omaly », hoy ihany izy ireo. Tsy nanome tso-drano azy ny filoha Ratsiraka Didier ary efa nandre ny antson’ity filoha teo aloha ity ny rehetra nilaza fa tsy manao kongresy ny AREMA, ary mpisandoka izay manao izany. Nohamafisin’atoa Ange (...)
  • Fanafihana mitam-basy

    Jiolahy roa no maty voatifitra

    jeudi 6 mars 2008 | Hery A. |  530 visites
    Nirefodrefotra ny feom-basy. Jiolahy roa indray no lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina. Tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo no nahazo antso an-tariby ny polisim-pirenena ao amin’ny boriborin-tany faha 5, nanambara fa misy jiolahy nanafika trano fivarotana mpamongady iray eny Namontana Anosibe. Nihetsika ny polisy, niaraka tamin’ny GIR ka namefy ny làlana manodidina ity fokontany ity. Nandeha fiara karetsaka 2 CV anefa ireo jiolahy, ka nosakanan’ny polisy teny amin’ny arabe, raha mbola (...)
  • Sakaraha : Halatra omby

    Novain’ireo dahalo ny volon’omby

    mercredi 5 mars 2008 | Hery A. |  496 visites
    Novain’ireo dahalo ny volon’omby, saingy tsy nahatakona ny maha omby halatra azy izany. Saron’ny zandary tao Ankazoabo, anatin’ny distrikan’ny Sakaraha ireo dahalo enin-dahy nitondra omby halatra. Nampiahiahy ny fokonolona ireto omby nandalo tao an-toerana ireto, ka niantsoana zandary. Rehefa natao ny fisavàna dia nanana taratasy mazava ireo omby noroahina. nisy nahatsikaritra anefa ny fanovàna ny lokon’ny volon’omby ka nitatra ny fanadihadiana. Teo no sarona fa sandoka ihany koa ireo taratasy (...)
  • Ambondrombe

    Nifanandrina tamin’i Belzeboba ny Apokalipsy

    mardi 4 mars 2008 | Hery A. |  5442 visites
    Nihantsy an’i pastera Mailhol i «Belzeboba» sy ny ekipany. Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana Apokalipsy tany Ihosy, notarihan’i Pastera Mailhol no nifanenàny tamin’ny olona iray nipetrahan’ny fanahin’ireo devoly ao Ambondrombe. Tovolahy nianatra nanao « magie » izy ity, saingy tsy nahatody hatramin’ny farany ka mora tamin’ny fanahy ratsy no niditra tao aminy. Teo Ambalavao no nifanehatra ny ekipan’ny Apokalipsy miisa 20 mianadahy, sy ity tovolahy nipetrahan’ny fanahy ratsy ity. (...)
  • Fanafihana mitam-basy

    Ny fanjakana no nampiofana ny dahalo

    lundi 3 mars 2008 | Hery A. |  1016 visites
    Mahalala ny tsiambaratelon’ny mpitandro filaminana ny dahalo. Ireny zatovo manao raharaha miaramila vonjimaika ireny avokoa no ankamaroan’ny dahalo sy jiolahy eto Madagasikara. Nomena fiofanana hahay mitifitra ry zalahy, saingy zazavao miisa 10 amin’ny 1000 ihany no voaray manohy ny asa maha miaramila. Ny ambiny dia toy ny olona very asa, saingy tsy manana traikefa afa-tsy ny fahaizana mitifitra. Halatra omby Any Basalampy, Soalala ary MItsinjo iny dia sahy mihantsy zandary ny dahalo. (...)
  • Andohan’Analakely

    Mpiasan’ny RTA matin’ny lozam-piarakodia

    samedi 1er mars 2008 | Hery A. |  5531 visites
    Olona iray no maty, olona efatra hafa no naratra. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho tetsy Andohan’Analakely anoloan’ny toby miaramila RM 1 omaly maraina tamin’ny iray ora sy fahefany teo ho eo. Avy any amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ity fiara 405 nitondra olona miisa 5. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso dia nandona « beton » mitsatoka amin’ny sisin-dalana ankavia ilay fiara, ka nianga ambony ary nivadika rehefa avy nikipilipily. Voaterin’ny familiana ny mpamily ka nosokirin’ny olona (...)
  • Ambatomainty : zaza vao teraka

    Misy loaka eo amin’ny lohany

    jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  914 visites
    Nisy loaka ny lohan’ilay zazakely vao teraka. Zava-niseho tao amin’ny tobim-pahasalamana fampiterahana ao amin’ny distrikan’Ambatomainty io, tamin’ny faha 21 febroary lasa teo. Araka ny vaovao azo, dia nipotsaka teo amin’ilay loaka eo amin’ny lohan’ity zaza ity ny atidohany. Nahagaga ny rehetra ny seho fa tsy vaovao tamin’ny fianakavian’ity vehivavy niteraka ity. Voalaza fa zanany faharoa ity. Tamin’ny taona 2000 izy no niteraka ny zanany voalohany, tsy nisy valaka tamin’ity nahazo ny zanany faharoa (...)
  • Soarano

    Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana

    jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  518 visites
    Miparitaka manerana ny renivohitra indray ireo mpivarotra amoron-dalana amin’izao fotoana izao. Manomboka manala azy ireny ny kaominina, araka ny efa nampiomanany. Mbola tsy mivantana ny fanesorana fa mandeha tsikelikely. Ny etsy Soarano no voaendaka voalohany. Kitihina indray mantsy ireo tranom-barotra fivarotan’ny sinoa taloha, ilay miankina amin’ny EPP Soarano. Maro ny mpivarotra teo amin’ny antoandro, izay saika akanjo mihaja sy kojakoja madinidinika no betsaka. Amin’ny hariva, manomboka (...)
  • Antananarivo renivohitra

    An’ny mahantra ny dabam-pako

    mercredi 27 février 2008 | Hery A. |  478 visites
    Apoitran’ny fisavovon’ny fako ny olona mahantra eto an-drenivohitra. Misavovona ny fako manerana ny renivohitra amin’izao fotana izao. Tsy misy dabam-pako tsy ahitana olona mpitsindroka amin’izy ireny. Eto dia fianakaviana iray mihitsy no mifarimbona, ao anatin’ny ora fisakafoana indrindra. Sakafo no tadiavin’ireo olona ireo. Izay mahita, avy hatrany dia any am-bava. Misy amin’ireo olona mahantra, monina eny amin’ny zaridaina etsy Antanimbarinandriana no tonga eny Anosibe, manenjika dabam-pako. Ny (...)
  • Fianianan’ny filoham-pirenena

    Enin-taona lasa izay...

    samedi 23 février 2008 | Hery A. |  700 visites
    22 febroary 2002, 22 febroary 2008. Enin-taona lasa izay.Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana ny tantaram-pirenena. Tokony ho notsarovana omaly ny nanaovan’ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc, fianianana voalohany amin’ny maha filoham-pirenena azy. Ny lasa tsy fanadino hoy ny fitenenana, ka raha tao anatin’ny fotoana nahamay no nisehoan’izany dia tsy maty am-pon’ny malagasy. Tantara ireny ka tantara! Tsarovana ny fiarahana politika, niarahana nandrombaka ny fitondrana. Fianianana nandavoana an’i (...)
  • Trano fiantohana MAMA

    Hangarahara ny sata vaovao

    vendredi 22 février 2008 | Hery A. |  345 visites
    Nankatoavin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola ny fangatahan’ny filankevim-pitantanan’ny trano fiantohana MAMA, nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana. Omaly no nanatontosana izany izay niompana tamin’ny fanitsiana ny « lalàna mifehy ny fiantohana » na ny « code des assurances ». Andininy vitsy amin’ireo andinin-dalàna miisa 65 ao anatin’ity fitsipika ity no novàna natao mifanaraka amin’ny fiainan’ny orinasa MAMA amin’izao fotoana izao.Anisan’izany ny fanomezana fahefana ny tale jeneraly, ka arahan’ny (...)
  • Miakatra ny rano

    Mitombo ny fandaniana

    jeudi 21 février 2008 | Hery A. |  478 visites
    Aina ity hoy i Rainimanonja. Toa mifanandrify tokoa amin’ny vonjy ranovaky etsy sy eroa. Raha efa malaza ny fisian’ny olona traboina dia toa tsy mahagaga firy. Efa niomana rahateo ny mpanome fanampiana, ka ny mahazatra ihany io e! Fa ny tsikaritra ankoatr’ireo mahazatra dia nisongadina ny fahasahiana niala tamin’ny trano eny amoron-drano sy amin’ny toerana iva. Harena mandany harena ireto hoy ny tompon’entana. Ny an’ny tena ihany ity no andoavam-bola. Olona anisan’ny tsy nety hiala teny amin’ny (...)
  • Traboina i Madagasikara

    mercredi 20 février 2008 | Hery A. |  1048 visites
    Ny eto anivon-tany no tena nitoeran’ny rivo-doza « Ivan », naharitra fotoana ela indrindra. Nolalovany i Sainte Marie, nametrahany takaitra tao anatin’ny ora vitsy. Nidirany i Fenoarivo Atsinanana, nataony najifa ihany koa. Na dia nihena aza ny heriny rehefa tafiditra taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Rakotry ny rivotra sy ny ranobe ny tanimbary. Tsy namelany koa ny faritra Menabe ka nahatonga ny olona an’arivony ho traboina. Omaly tontolo dia toa tsy nihetsika firy i « Ivan » fa (...)
  • Andro ratsy

    Nihemotra ny fandaharam-pianarana

    mercredi 20 février 2008 | Hery A. |  568 visites
    Hatramin’ny omaly talata no fe-potoana nomen’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tsy hianaran’ny mpianatra. Faritra maro eto amin’ny nosy no voakasik’io. Ny fandalovan’ny rivo-doza moa no antony. Tamin’ny alatsinainy vao maraina no nivoaka ny filazana, ka betsaka ireo mpianatra tsy nandre ny vaovao. Nisy ihany ny mpianatra namonjy sekoly, saingy niveri-potsiny. Teo ihany koa anefa ireo tsy maintsy nanohy ny fandaharam-pianarana satria ao anatin’ny fanadinana. Tsy maintsy nianatra ihany koa ireo (...)
  • Anosibe : Herin’aratra mifampikasoka

    May ny biraon’ny tsena

    mardi 19 février 2008 | Hery A. |  326 visites
    Nirehitra indray ny ampahan’ny tsena ao Anosibe. Omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 5 ora teo no hitan’ny mpiambina ny loza. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia nipoaka ny « compteur » ao amin’ny biraon’ny tsena. Nirehitra niaraka tamin’izay ity birao ka nifamonjen’ny mpiambina aloha. Teo ny tsy fahampian’ny fitaovana namonjena, fa ny nampitatra ny afo dia ny tsy nahafahana nanokatra ity birao ity. Tsy nisy ny fanalahidy ka nanampatra ny heriny ny afo mandrapahatongan’ny mpamonjy voina. (...)
  • ESMGC : Oniversiten’ny ACEEM

    Nanao fitsidihana ny solontenam-panjakana

    samedi 16 février 2008 | Hery A. |  373 visites
    Amin’ny faha 10 martsa 2008 no hanomboka ny fianarana ao amin’ny ESMGC « Ecole Supérieure de Management, Gestion et Communication » etsy Manakambahiny. Alohan’ny fitokanana azy ity dia nanao fitsidihana ofisialy ny manampahefana eto amin’ny firenena, omaly zoma maraina. Voasolo tena teto ny fanjakana foibe, tamin’ny alalan’ny mpanolon-tsaina eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny antenimieran-doholona ary ireo mpiara-miombon’antoka (...)
  • Andrefan’Ambohijanahary : Ady tany

    Misy manafina ny antontan-taratasy

    jeudi 14 février 2008 | Hery A. |  622 visites
    Tany efa nisy trano niorina tamin’ny 1952 mirefy 0 ara 75 ca no hiadiana eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Nisy niantso an-tariby ny zanaky ny tompon’ity trano eo Andrefan’Ambohijanahary, ao ambadiky ny toby Ratsimandrava, nilaza fa misy mangataka eny anivon’ny fokontany ny tany iorenan’ity trano ity. Tonga teny ramatoa Rafaravololona Esther zanaky ny tompon-trano dia gaga raha nitondran’olona taratasy mangataka io taniny io. Tsy hita tamin’ny peta-drindrin’ny fokontany sy ny (...)
  • « Moa ka tsy izany va ? »

    jeudi 14 février 2008 | Hery A. |  843 visites
    Entin’ny antoko TIM ao Vakinankaratra ao ho eo anivon’ny fivoriana hatrany ny lahatsoratra an-gazety rehefa tsy mamalifaly azy ny lahatsoratra. Tao Antsirabe moa dia naharihary ampahibemaso ny gazety TRIBUNE . « Maninona ny sariko no tsy navoaka ? hoy ny olon’ny TIM. Torak’izany koa ny tao Antanifotsy. Nambaran’ny lahatsoratra tamin’izany moa fa « naloan’ny mponina ny antoko TIM» tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo. « Mamely anay io », hoy ny feo nalefan’ny mpanao politika sasany. « (...)
  • Sakafo eny amin’ny hotely

    Miara-misondrotra ny vidin-javatra rehetra

    mardi 12 février 2008 | Hery A. |  681 visites
    Tao anatin’ny fisondrotry ny vidin-tsolika no efa niaka-bidy ny sakafo any amin’ny hotely madinidinika sy salantsalany eto an-drenivohitra. Nisoko miadana ihany satria samy nampaka-bidy tsikelikely izao mpivarotra. Tany amin’ny fiandohan’ny taona 2008 dia manodidina ny ar 1200 hatramin’ny ar. 1 500 ny vidin’ny vary iray vilia miaraka amin’ny laoka. Fotoana fohy no niakarany hatrany amin’ny ar 2 000. Amin’izao fotoana izao dia tafakatra hatramin’ny ar 3000. Mpivarotra iray etsy Antanimena no (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS