Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 11h46
 

Malagasy

Fokontany Anosibe andrefana II

Tsy nisy naka ny kara-pifidianana

lundi 17 mars 2008 |  332 visites  | Hery A.

Tsy nihoatra ny 5 % ireo mpifidy tonga nandatsa-bato tamin’ireo biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Anosizato, omaly hatramin’ny 12 ora antoandro. Nisokatra tamin’ny 7 ora maraina ny birao fandatsaham-bato , ary nanomboka teo dia zara raha nisy olona iray isaky ny fahefatr’adiny. Tao amin’ny biraom-pifidianana laharana faha 002 ohatra dia 5 %, tamin’ny 11 ora teo ho eo, tao amin’ny laharana faha 3 dia 3% ary ny birao faha 4 dia 4%. Torak’izany koa ny tao amin’ny birao laharana faha 20 izay nahitana mpifidy miisa 2000 mahery, saingy 180 ihany no tonga hatramin’ny mitataovovonana.

Tsy taitra ny olona

« Nanao ezaka izahay », hoy ny sefo fokontany Anosibe andrefana faharoa, atoa René. Nanentana ny olona isam-baravarana, sady nizara kara-pifidianana, saingy mbola betsaka ireo tsy nahazo ny kara-pifidianana vaovao. Tsy tratra an-trano ny mponina, izay voamarika fa mpivarotra avokoa. Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny fifidianana mihitsy no tsy nahataitra ny olona. Ireo mpandatsa-bato sasany aza dia tsy mahalala akory ny anton’ny fifidianana, hany ka natao ny adidy, dia nariana ao anaty trano fisainana ny vato.

Hevitra

« Tsy aleo ve notendrena ihany ny olona tiana ho fidiana eto », hoy kosa ny mpifidy sasany. Misy moa ny sahy milaza fa nahazo fandrahonana ka nandeha nandatsa-bato tsy fidiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS