Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 19h20
 

Teny zato, kabary arivo

Traboina i Madagasikara

mercredi 20 février 2008 |  1048 visites  | Hery A.

Ny eto anivon-tany no tena nitoeran’ny rivo-doza « Ivan », naharitra fotoana ela indrindra. Nolalovany i Sainte Marie, nametrahany takaitra tao anatin’ny ora vitsy. Nidirany i Fenoarivo Atsinanana, nataony najifa ihany koa. Na dia nihena aza ny heriny rehefa tafiditra taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Rakotry ny rivotra sy ny ranobe ny tanimbary. Tsy namelany koa ny faritra Menabe ka nahatonga ny olona an’arivony ho traboina. Omaly tontolo dia toa tsy nihetsika firy i « Ivan » fa nanakipilipily ny rambony, nanimba ny tanàna manodidina an’Antananarivo. Nanondraka ny renirano, ka hatramin’ny omaly hariva dia tafakatra nihoatra ny 50 metatra ireo renirano manodidina ny tanàna. Mampihoro-koditra ny fandalovana eny Tanjombato, Niandry ny fotoana nahafahan’ny fiaramanidina nisidina fotsiny ny fitondram-panjakana dia nitsidika ireo toerana tratry ny loza. Hiezaka handray an-tànana ny fanampiana ireo traboina sy hanarina ny zavatra simba. Mbola sarotra anefa ny manombana ny fahavoazana ka izay tratra aloha no atao. Mipetraka ihany ny ahiahy fa toa ho lanin’ity rivo-doza ity ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Maro anie ny fahavoazana e ! Angamba aloha dia samy hiahy ny tenany ny vahoaka, fa ireo fotodrafitr’asam-panjakana no tsy maintsy ho vonjen’ny tompony. Miara-mahalala ny rehetra fa ny takaitra navelan’i « Fame » dia mbola tsy voatombana akory. Tsy hay koa ny ho fihaodihaodin’ny rivo-doza vaovao. Tsarovana ny rivo-doza « Bondo » sy « Clovis » tamin’ny taon-dasa. Ny lalan’i « Ivan » no efa nolalovany. Raha tafavoaka ny lakan-dranon’ny Mozambika anefa izy roalahy ireo dia nisampotina niverina. Aza hitako ka hanao sangy ratsy toy izany i « Ivan ». Mampanahy tokoa raha izay fizotrany omaly izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS