Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 20h12
 

Malagasy

Andohan’Analakely

Mpiasan’ny RTA matin’ny lozam-piarakodia

samedi 1er mars 2008 |  5531 visites  | Hery A.

Olona iray no maty, olona efatra hafa no naratra. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho tetsy Andohan’Analakely anoloan’ny toby miaramila RM 1 omaly maraina tamin’ny iray ora sy fahefany teo ho eo. Avy any amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ity fiara 405 nitondra olona miisa 5. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso dia nandona « beton » mitsatoka amin’ny sisin-dalana ankavia ilay fiara, ka nianga ambony ary nivadika rehefa avy nikipilipily. Voaterin’ny familiana ny mpamily ka nosokirin’ny olona sendra nandalo. Ny fiara kosa dia nihoson-dra tanteraka. Araka ny vaovao azo ihany dia avy nankalaza tsingerin-taona ireto olona ireto, izay marihana fa mpamokatra fandaharana amin’ny haino aman-jery RTA. Mampandihy rahateo no asany izay nanafana ny lanonana.

Hatramin’ny omaly tolakandro dia mbola teny amin’ny tranom-paty HJRA ny razana. Mbola tsaboina ihany koa ilay zazavavy tompon’ny tsingerin-taona izay voamarika fa voa mafy. Ny olona telo hafa moa dia tsy misy atahorana ny ainy, rehefa nahazo fitsaboana.

Tonga teny amin’ny HJRA avokoa ny fianakaviamben’ny RTA nijery ny razana sy nampahery ny fianakavian’ny mana-manjo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS