Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 17h30
 

Malagasy

ESMGC : Oniversiten’ny ACEEM

Nanao fitsidihana ny solontenam-panjakana

samedi 16 février 2008 |  373 visites  | Hery A.

Amin’ny faha 10 martsa 2008 no hanomboka ny fianarana ao amin’ny ESMGC « Ecole Supérieure de Management, Gestion et Communication » etsy Manakambahiny. Alohan’ny fitokanana azy ity dia nanao fitsidihana ofisialy ny manampahefana eto amin’ny firenena, omaly zoma maraina. Voasolo tena teto ny fanjakana foibe, tamin’ny alalan’ny mpanolon-tsaina eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny antenimieran-doholona ary ireo mpiara-miombon’antoka nahitana tale mpitantana orinasa, ny oniversite any Toulouse, ny oniversiten’Antananarivo sns...

Nampahafantatra ny lalana nodiavina sy ho diavin’ny sekoly ny filoha mpanorina ny vondrona ACEEM Atoa Ratrema William sy ny tale jeneralin’ny ESMGC ny profesora Ralaisoa Emile. Fantatra teto fa sekoly faha 7 ao anatin’ny vondrom-panabeazana ACEEM ity sekoly ity. Ankoatry ny trano sekoly izay manarapenitra dia misy ny « laboratoire » isaky ny taranja mila izany. Vaovao ny fitaovana enti-mampianatra. Misy ny « Cantine » ho an’ny mpianatra, ao koa ny efitrano fitsaboana, ny trano famakiam-boky sns... Manana ny tanjona hisehatra eo amin’ny LMD ity sekoly ity.

Tonga amin’izao fitsidihana ifotony izao ny fanjakana. Nankatoavina ny rafitra ka hiantsoana ireo mbola liana satria vitsy sisa ny toerana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS