Mahalala ny tsiambaratelon’ny mpitandro filaminana ny dahalo.
Ireny zatovo manao raharaha miaramila vonjimaika ireny avokoa no ankamaroan’ny dahalo sy jiolahy eto Madagasikara. Nomena fiofanana hahay mitifitra ry zalahy, saingy zazavao miisa 10 amin’ny 1000 ihany no voaray manohy ny asa maha miaramila. Ny ambiny dia toy ny olona very asa, saingy tsy manana traikefa afa-tsy ny fahaizana mitifitra.
Halatra omby
Any Basalampy, Soalala ary MItsinjo iny dia sahy mihantsy zandary ny dahalo. Ananan’ireo dahalo rahateo ny basy. Amin’ny andro fahavaratra sy amin’ny andro diavolana no fanafihan’ny mpangalatra omby any amin’ireo faritra ireo.
Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa miha lany tamingana ny omby any an-toerana
Atidoha mikotrika
Dahalo ambony latabatra no mikotrika ny halatra omby. Ireo zatovo avy nandalo tany amin’ny tobin’ny miaramila no antsoiny sy irahiny mangalatra omby. Tsy misy ny karama ifanarahana fa izay omen’ny sefo ihany ( manodidina ny Ar. 10 000 ny omby iray). Ity dahalo ambony latabatra indray no manadio ny omby amin’ny alalan’ny taratasy sandoka.
Mahazo vahana
Manome vahana ny dahalo ny famindran-toerana ny zandary any amin’ireo tany saro-dàlana. Izay lasa dia tsy misolo. Ny fitaovana enti-manohitra ireo dahalo rahateo dia zara raha misy.
Mahazo vahana koa ny fanafihana mitam-basy. Na ny ety an-drenivohitra aza dia tsikaritra fa saika ireny olona nandalo tany amin’ny raharaha miaramila ireny avokoa no voafantina hanao fanafihana mitam-basy.
Ny vahaolana dia ny fitazonana ireny zazavao ireny, na dia hampanaovina asa fambolena ihany aza. Raha akapoka dia ny fanjakana no namokatra dahalo hatramin’ny fitondrana nifandimby.