Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 20h12
 

Malagasy

Trano fiantohana MAMA

Hangarahara ny sata vaovao

vendredi 22 février 2008 |  345 visites  | Hery A.

Nankatoavin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola ny fangatahan’ny filankevim-pitantanan’ny trano fiantohana MAMA, nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana. Omaly no nanatontosana izany izay niompana tamin’ny fanitsiana ny « lalàna mifehy ny fiantohana » na ny « code des assurances ». Andininy vitsy amin’ireo andinin-dalàna miisa 65 ao anatin’ity fitsipika ity no novàna natao mifanaraka amin’ny fiainan’ny orinasa MAMA amin’izao fotoana izao.Anisan’izany ny fanomezana fahefana ny tale jeneraly, ka arahan’ny filankevim-pitantanana maso.

Nirosoana ny fanapahana ity fanovàna ity na dia tsy nahatratra ny ampahatelon’ny mpikambana aza no tonga tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly. 25 000 eo ho eo no isan’ny mambra, saingy tsy nahatratra 300 no isan’ireo mpivory, raha 7000 any ho any no takian’ny lalàna. Tsiahivina fa tamin’ny volana desambra 2006 no nisy ny fiantsoana fivoriana voalohany tokony nanatanterahana ity fanovàna ity.Fiantsoana faha 5 ity farany ity, izay tsy maintsy nandraisana fanapahan-kevitra. Io moa no nandrasana alohan’ny hifidianana izay ho filankevim-pitantanana vaovao. Amin’izao fotana izao dia Ramatoa Ranirimanga Sabine no tale jeneralin’ny orinasa MAMA izay nitarika ny fivoriambe omaly.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS