Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 13h56
 

Malagasy

Antananarivo renivohitra

An’ny mahantra ny dabam-pako

mercredi 27 février 2008 |  478 visites  | Hery A.

Apoitran’ny fisavovon’ny fako ny olona mahantra eto an-drenivohitra. Misavovona ny fako manerana ny renivohitra amin’izao fotana izao. Tsy misy dabam-pako tsy ahitana olona mpitsindroka amin’izy ireny. Eto dia fianakaviana iray mihitsy no mifarimbona, ao anatin’ny ora fisakafoana indrindra. Sakafo no tadiavin’ireo olona ireo. Izay mahita, avy hatrany dia any am-bava. Misy amin’ireo olona mahantra, monina eny amin’ny zaridaina etsy Antanimbarinandriana no tonga eny Anosibe, manenjika dabam-pako. Ny fako amin’iny boriborin-tany faha 4 iny mantsy no betsaka dabam-pako, feno fako isan’ora. NY dabam-pako aty ampovoan-tanàna indray dia toa misy tompony, toy ny etsy Analakely, ambadiky ny Lycée Rabearivelo. Misy dabam-pako roa no ambenan’ny mahantra eo. Dioviny, heveriny ho azy mihitsy ny toerana ka na ireo mpanary fako aza dia matahotra manatona ny dabam-pako. Tokana ny vahaolana mba tsy hampihinanana maloto an’ireo mahantra, dia ny fandraofana haingana ny fako. Eto dia tsy ny fiara mpitatitra ny olana, fa ny fanariana fako eny Andralanitra no mlanahirana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS