Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 15h40
 

Malagasy

Anosibe : Herin’aratra mifampikasoka

May ny biraon’ny tsena

mardi 19 février 2008 |  326 visites  | Hery A.

Nirehitra indray ny ampahan’ny tsena ao Anosibe. Omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 5 ora teo no hitan’ny mpiambina ny loza. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia nipoaka ny « compteur » ao amin’ny biraon’ny tsena. Nirehitra niaraka tamin’izay ity birao ka nifamonjen’ny mpiambina aloha. Teo ny tsy fahampian’ny fitaovana namonjena, fa ny nampitatra ny afo dia ny tsy nahafahana nanokatra ity birao ity. Tsy nisy ny fanalahidy ka nanampatra ny heriny ny afo mandrapahatongan’ny mpamonjy voina. Tamin’ny 6 ora latsaka teo vao voafehy ny afo. Tsy nisy aloha ny aina nafoy na ny naratra, fa ny fotodrafitrasa no nisy fahapotehana, may ny entana sasany tao anatiny.
Vokatr’izay dia maizina ny tsena manontolo omaly alina.

Raha tsahivina dia fanintelony no nisian’ny fahamaizana teto amin’ity tsena ity, taorian’ny nanamboarana azy ho manara-penitra. Tranoheva miisa 6 no may voalohany tamin’ny taona 2006. Vao iray volana lasa koa izay no may ny fivarotana miisa 5. Samy nahamaizana entana amina tapitrisa ireo trano may ireo. Hatramin’izao dia mbola samy tsy nahitam-bahaolana ny momba ny fanamboarana ireo trano may ireo. Hatreto koa dia ny fifampikasohan’ny herin’aratra hatrany no voalaza fa fototry ny loza. Omaly ihany moa dia nijery ny fahavoazana ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ary hanomboka ny fanarenana avy hatrany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS