Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 13h45
 

Malagasy

Sakafo eny amin’ny hotely

Miara-misondrotra ny vidin-javatra rehetra

mardi 12 février 2008 |  681 visites  | Hery A.

Tao anatin’ny fisondrotry ny vidin-tsolika no efa niaka-bidy ny sakafo any amin’ny hotely madinidinika sy salantsalany eto an-drenivohitra. Nisoko miadana ihany satria samy nampaka-bidy tsikelikely izao mpivarotra.
Tany amin’ny fiandohan’ny taona 2008 dia manodidina ny ar 1200 hatramin’ny ar. 1 500 ny vidin’ny vary iray vilia miaraka amin’ny laoka. Fotoana fohy no niakarany hatrany amin’ny ar 2 000. Amin’izao fotoana izao dia tafakatra hatramin’ny ar 3000. Mpivarotra iray etsy Antanimena no nanontanianay ka nilaza fa ny sakafo rehetra amidiny no niaka-bidy, nanomboka omaly. Ny « misao » ohatra dia niakatra ar 2 500 ny iray vilia, raha ar 2 000 tamin’ny herinandro lasa. Ny vary sy laoka koa dia nisondrotra tahatahaka izay. Ny mofo dipaina kosa dia tsy nisondrotra fa nihen-danja hatrany am-potony. Ny « composé » dia niakatra hatrany amin’ny ar 600 raha ar 300 teo aloha sns...Tsotra ny antony hoy ny mpivarotra dia ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena. Nisondro-bidy hatramin’ny « pâte ». Ny hena moa dia efa tafakatra ar. 6 000 ny 1 kg. Ny vary moa dia efa iainana isan’andro ny fisondrotana.

Tafiditra amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny sakafo antoandro izay iantohan’ireny mpivarotra ireny. Misy aza ny lafolafo kokoa fa ny tsikaritra dia efa mirona ety amin’itony antonontonony itony koa ny mpianatra zanaky ny manan-katao. Vokany, dia mitombo eo amin’ny 25% eo ny fandanian’ny olona mpisakafo amin’ny hotely. Raha ny teto amin’ity mpivarotra teo Antanimena ity aloha dia mbola tsy fantatra ny fiantraikan’ny nampisondrotany ny vidin’ny sakafo ao aminy. Tsy afaka mihemotra hampidina vidin’entana anefa izy na mety tsy handeha firy aza ny tsena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS