Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 22h09
 

Malagasy

Soarano

Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana

jeudi 28 février 2008 |  518 visites  | Hery A.

Miparitaka manerana ny renivohitra indray ireo mpivarotra amoron-dalana amin’izao fotoana izao. Manomboka manala azy ireny ny kaominina, araka ny efa nampiomanany. Mbola tsy mivantana ny fanesorana fa mandeha tsikelikely. Ny etsy Soarano no voaendaka voalohany. Kitihina indray mantsy ireo tranom-barotra fivarotan’ny sinoa taloha, ilay miankina amin’ny EPP Soarano. Maro ny mpivarotra teo amin’ny antoandro, izay saika akanjo mihaja sy kojakoja madinidinika no betsaka. Amin’ny hariva, manomboka amin’ny 5 ora kosa, dia an’ny mpivarotra irery ny lalana. Tonga indray eo ny « friperie » sy ireo entana sinoa isankarazany. Nanomboka omaly dia manamboatra io trano fivarotana io ny kaominina. Teo no nanomboka ny varotra mandehandeha ka tsikaritra tokoa fa olona miady amin’ny fiainana izy ireny. Ao no bevohoka sy mareforefo, nefa dia mifanenjika amin’ny mpiasan’ny kaominina.

Raha hiverenana ny tantaran’ity trano eo Soarano ity, dia niantohan’ny sinoa ny nanamboarana azy. Nisy ny fifanarahana tamin’ny FRAM ao amin’ny EPP Soarano, nahafahany nanavao ny trano. Afaka volana vitsy dia nalain’ny kaominina ny trano ka tapaka teo koa ny fifanarahana. Hihitatra tsikelikely amin’ireo amoron-dàlan’i Behorirka ny fanadiovana arak’izao fandehany izao.

Rahoviana kosa ny eny Anosibe ? Tompon’ny lalana marain-tsy hariva ny mpivarotra, efa taona vitsivitsy izay. Ny karazan’entana rehetra no hita eny. Ao ny lamba tonta, ny sakafo, ny finday amoron-dalana, ny kojakojan-tokan-trano ary ireo entana efa niasa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS