Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 09h23
 

Malagasy

Miakatra ny rano

Mitombo ny fandaniana

jeudi 21 février 2008 |  478 visites  | Hery A.

Aina ity hoy i Rainimanonja. Toa mifanandrify tokoa amin’ny vonjy ranovaky etsy sy eroa. Raha efa malaza ny fisian’ny olona traboina dia toa tsy mahagaga firy. Efa niomana rahateo ny mpanome fanampiana, ka ny mahazatra ihany io e ! Fa ny tsikaritra ankoatr’ireo mahazatra dia nisongadina ny fahasahiana niala tamin’ny trano eny amoron-drano sy amin’ny toerana iva. Harena mandany harena ireto hoy ny tompon’entana. Ny an’ny tena ihany ity no andoavam-bola. Olona anisan’ny tsy nety hiala teny amin’ny faritra atsimon-drano iny ireto nitaona entana ireto. Ho aiza ? hoy izy ireo. Ny entana sarobidy amin’ny tena ka tsy azo afoy. Manana havana ihany ry zareo saingy mbola fifanarahana be vao afaka nandray azy. Noferana ny andro hiaraha-monina. Nifanarahana hatramin’ny sakafo hiarahana mihinana. Mbola nandany vola aman’alina nitaomana entana. Satrin’izy ireo ho ritra haingana ny rano amin’ny trano onenany hiverenany, sady hisorohana ny « Hava-tiana tsy iaraha-monina ». Etsy andaniny anefa dia mbola zakaina ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Loza roa loza telo !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS