Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 11h51
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Entana avy any ivelany

    Misongadina ny fanatontoloana

    lundi 11 février 2008 | Hery A. |  1646 visites
    Zava-misy manerana izao tontolo izao ny fahaiza-mikaroka ara-toekarena, ataon’ny mpila ravinahitra eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny taona 5 na 6 izay dia nisongadina teto amintsika ny tera-tany avy any Azia any ka nanova endrika ny tanàna mihitsy amin’ny alalan’ny toekarena. Nampanana asa ireo tanora maro. Navadik’ireto vahiny ireto ho tranom-barotra avokoa ireo trano amoron-dalana nikatokatona toy ny teny Behoririka, Analakely. Ny tenan’izy ireny mihitsy no nitana ny (...)
  • Fotodrafitrasan’ny kaominina

    Mitombo ihany ny fahapotehana

    lundi 11 février 2008 | Hery A. |  501 visites
    Miha potika ihany ireo fotodrafitrasa eto an-drenivohitra ka saika ireo fotodrafitrasa vao naorin’ny kaominina no lasibatra. Efa niaraha-nahita ireo fahasimbana teo Analakely. Tsy nisy tazana intsony koa ireny takela-by ireny, indrindra ny amin’ny toerana mangingina. Tsy fantatra loatra izay olona tsy mahatandrina ireny, fa tato ho ato kosa dia hita ny fahasimbana noho ny tsy fitandremana. Vao tamin’ny alakamisy alina teo koa no nisy fiara vaventy nitondra kaontenera avo be niditra tamin’ny (...)
  • Anosibe

    Feno « lôtô » sy kodiakely

    vendredi 8 février 2008 | Hery A. |  581 visites
    Nipoitra eny Anosy ka hatreny Anosibe efa ho herinandro maro izao ny lôtô sy ny kodia kely ary ny tourniquet. Ankalamanjana no sady misy loka mihitsy ny lalao. 5 na 6 eo no faritra misy ity « lôtô » ity amin’ireo toerana voalaza teo ireo. Tovolahy roa na telo no miantoka isan- databatra. Mpanao fanatanjahantena ny maro amind-ry zareo. Somary vaventiventy sy nofosana ny sasany. Velarina eo amoron’arabe ny entana manintona maso toy ny fahitalavitra, fakan-tsary, koveta, sy fitaovana somary (...)
  • Ripaka ny omby gasy

    mercredi 6 février 2008 | Hery A. |  626 visites
    Iharan-doza ny omby malagasy! Mirongatra manerana ny nosy ny halatra omby tato ho ato ka tsy ny olona mpanara-dia ihany no lasibatra fa vonoin’ny dahalo hatramin’ny omby. Ela koa ny ela fa nanjary nisy ny omby maty tafihan’ny biby (kongona sy dinta) teto amin’ny nosy, misy aza dia aretina hafahafa fa mankarary ny fofona avoakany. Eo amin’ny halatra omby aloha dia tsy voafehy intsony satria tonga any amin’ireo dahalo ny basy. « Kalachnikov » miisa 4 izao no nentin’ny dahalo nanafika ny kaominina (...)
  • Anjozorobe : Omby matin’aretina

    Voan’ny tazo ny mpandrasa hena

    mercredi 6 février 2008 | Hery A. |  340 visites
    Tao anatin’ny tapa-bolana monja dia omby miisa 13 no maty vokatry ny aretina tsy fantatra tany amin’ny kaominina Ambohimirary, anatin’ny distrikan’Ankazobe. Araka ny vaovao azo dia malain-komana sy miha mahia ny omby tratry ny aretina. Mibontsina ny kibony ary miafara amin’ny fipoahana ka mahafaty ny omby. Na izany aza dia nikiry namono ny omby tratry ny aretina ny mponina sasany ka mihinana ny hena. Tsikaritra anefa fa tratry ny aretina ihany koa ny olona mandrasa ny omby marary satria misy (...)
  • Teto an-drenivohitra

    Mody adala, nefa manendaka

    lundi 4 février 2008 | Hery A. |  835 visites
    Mitombo isa indray ny olona adala eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao saingy toa miova ho moderna kokoa izy ireny, hany ka mampisalasala ny hilaza ny sasany amin’izy ireny ho adala. Tao anatin’ny andro maromaro izay dia tsikaritra misy tovolahy malotoloto manenjika miditra anatin’ireny taxi-be eto an-drenivohitra ireny ka mody mitabataba sy mangataka eo. Tamin’ny faran’ny herinandro teo moa dia navelan’ny resevera nanaram-po tao anatin’ny taxi-be ity tovolahy iray. Sorena (...)
  • Sasatry ny miarina

    samedi 2 février 2008 | Hery A. |  838 visites
    Hatramin’izao aloha dia mbola ny zavatra efa nampoizina hiseho avokoa no miseho, dia ny tombatomban’ny mpanara-baovao mahakasika ny nirotsahan’ny TGV ho kandida ben’ny tanàna. Ny famisavisana ny fahalaniany no atao jery todika kely ka saika nitombina ny ankamaroany. « Sasatry ny miarina », izay no azo ilazana ny fandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana eto an-drenivohitra. Efa niaiky mihitsy ny lehilahy fa ho sarotra ny hanatanterahana ireo programan’asa raitra dia raitra nampanantenaina (...)
  • ESMGC : Oniversiten’ny vondrona ACEEM

    Hisokatra amin’ny volana martsa

    samedi 2 février 2008 | Hery A. |  431 visites
    Amin’ny faha 7 martsa izao no hiditra ireo mpiofana ho manam-pahaizana ambony ao amin’ny ESMGC (Ecole supérieure de maintenance, de gestion et de communication) etsy Manakambahiny. Ny vondrom-panabeazana ACEEM no tompon’ity sekoly ambony ity izay fanatevenana ireo sampana isan-karazany efa misy ao aminy. Fotodrafitrasa vaovao manara-penitra no hovantanin’ireo mpianatra ka mpianatra miisa 100 hatramin’ny 120 isaky ny sampam-piofanana no ho raisina hiofana mandritra ny 3 taona avy. Itovian’ny (...)
  • Fiainam-bahoaka

    Rahoviana indray vao ho faran’ny volana ?

    vendredi 1er février 2008 | Hery A. |  599 visites
    Mafy ny nanala iny volana janoary 2008 iny! Io no tsikaritra nahazo ny mponina manana fivelomana antonontonony amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny hoe lany vola tamin’ny fety fa na nanao tahiry aza dia tsy naharaka satria ny vidin-javatra mihitsy no nisondrotra, indrindra ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, tafakatra ar 350 hatramin’ny ar 400 ny iray kapoaka, ny hena moa dia zara raha hita nandritra iny volana iny izay niakatra hatramin’ny ar 6000 ny iray kilao (...)
  • Rameva, osy, omby vavy be ronono

    Biby inona izany e ?

    jeudi 31 janvier 2008 | Hery A. |  1162 visites
    Te hahita mivantana ireo karazam-biby nampidirina teto Madagasikara vao haingana ny vahoaka malagasy, saingy toa sarotra ny ahitana izany satria tsy eny amin’ny valan-javaboahary toy ny etsy Tsimbazaza no misy azy fa eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, hany ka olona voafantina ihany no afaka mahita azy. Ny rameva izay tonga vao haingana aloha no tena mahaliana, izay sambany mba nandrenesana ny fisiany eto, na dia voalaza aza fa efa misy malagasy miompy azy io eto an-toerana fa tsy fantatra (...)
  • Tsena Anosibe

    Fivarotana 5 indray no may

    mardi 29 janvier 2008 | Hery A. |  390 visites
    Trano fivarotana miisa 5 no may tao anatin’ny tsenan’Anosibe tamin’ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 8 ora teo ho eo ka nahamaizana ireo entana rehetra tamin’ireo fivarotana ireo. Araka ny fitantaran’AtoaRandriamparany Jean Dieudonné tompon’ny fivarotana trondromaina, niharan’ny fahavoazana dia fotoana tsy fisian’ny mpivarotra misokatra intsony izany amin’ny 8 ora alina izany, ka efa namono ny afo ny « pompier » vao nantsoina any an-tranony eny akaikin’ny làlamby ry zareo, ary entana efa kilan’ny (...)
  • Raharaha Jules Antoine Cécilien

    Naiditra am-ponja ny vadiny

    lundi 28 janvier 2008 | Hery A. |  924 visites
    Efa mazava ny resaka mahakasika ilay namonoana ny tale iray tao amin’ny minisiteran’ny ati-tany, izay tsy hita nanomboka tamin’ny faha 10 oktobra ary tsy hita raha tsy tamin’ity faramparan’ny volana janoary ity. Ny fatiny moa sisa no hita ka araka ny vaovao azo dia ny vadin’andriamatoa tale ihany no atidoha nikotrika ny famonoana ity rangahy ity. Novonoina ho faty rangahy dia natao tao anaty gony ary nalevina. Herinandro taty aoriana vao nampandre ny manampahefana ny vadin-drangahy ary niainga (...)
  • Radio Don Bosco

    Nofoanan’ny fanjakana ny fandaharana « Karajia »

    samedi 19 janvier 2008 | Hery A., Naivo kely |  1882 visites
    Nofoanan’ny minisiteran’ny fifandraisana ny fandaharana « Karajia » ao amin’ny radio Don Bosco izay mandeha manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 9 ora latsaka fahefany eo ho eo. Araka ny vaovao nampitain’ny talen’ity radio tsy miankina amin’ny fanjakana ity dia tamin’ny alakamisy hariva no tonga ny taratasy nandidy ny fampiatoana ity fandaharana «Karajia» ity ka nanomboka omaly zoma dia tsy afaka nandefa io intsony ny tompon’andraikitra. Noho ny antso an-tariby nataon’ny mpihaino izay (...)
  • Fitoriana vaovao mahafaly

    Hiverina an-tsehatra i Klarys

    jeudi 17 janvier 2008 | Hery A. |  491 visites
    Hiverina an-tsehatra i Klarys amin’ity taona 2008 ity raha tamin’ny volana jona 2000 izy no niakatra an-tsehatra farany tao Antsahamanitra. Toriteny an-kira efa fanaony, miaraka amin’ny mozika mafana no entiny indray hitoriana ny filazantsara. Tsy nipetram-potsiny anefa izy fa niketrika raki-tsary sy raki-kira ahitana hira miisa 6 avy, ankoatry ny hira miisa 60 vita fandraisam-peo. Efa mivoaka eny amin’ny Fuji film eny Talatamaty ireto raki-kira ireto ary ahitana izany koa eny amin’ny « press (...)
  • Taxi-be

    Hampakatra saran-dalana ?

    mercredi 16 janvier 2008 | Hery A. |  470 visites
    Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin’ity fandraisana fepetra amin’ny saran-dàlana ity satria tsapan’izy ireo ny fahasahiranan’ny olona, nefa tsapan’ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakarana saran-dàlana ho avoavo kokoa ireo tompon’ny taxi-be. Vao nisy fanapahan-kevitr’izy ireo manokana mantsy amin’ny tsy fisian’ny saran-dàlana Ar. 200 intsony, saran-dàlana tapa-dàlana io. Ny zotra avy eny Anosibe aloha dia samy manana ny heviny sady ny sasany koa aza tsy mahalala io didy jadona io akory, hany ka (...)
  • Anosibe : Fivarotam-panafody

    Norahonan’ilay manampahefana ny mpivarotra

    mardi 15 janvier 2008 | Hery A. |  646 visites
    NIteraka resa-be teo Anosibe sy ny manodidina ny nataon’ny manampahefana iray nividy fanafody tamin’ny fivarotam-panafody mpiandry raharaha tamin’ny alahady teo satria dia olona maro tokoa no nahita ny fandrahonan’ilay manampahefana ny mpiasan’ny faramasia ka nanereny azy hivarotra fanafody tsy misy taratasin’ny dokotera mitaky izany ny fivarotana ilay fanafody. Tsy nanaiky anefa ilay mpivarotra ka namoahan’ity manampahefana karatra. Toran-kovitra ilay mpivarotra ka nanome tsy sazoka. Tsy vitan’ny (...)
  • Fisondrotry ny vidim-piainana

    Samy manao izay saim-pantany...

    lundi 14 janvier 2008 | Hery A. |  578 visites
    Tsy misoko mangina intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra eto an-drenivohitra fa dia efa miharihary mihitsy ka tsy misy hisafidianana intsony ny vidin-javatra. Tsy hita intsony ilay fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fiainana andavanandro mihitsy no niaka-bidy. Anisan’izany aloha ny sakafo vita amin’ny ronono izay tsy hiadian-kevitra fa efa ny manan-katao sisa no mahazaka ny vidiny. Tamin’ny volana desambra teo dia niakatra hatrany amin’ny ar (...)
  • Fifidianana ben’ny tanàna : vokatra ofisialy

    Misy ny fakàna an-keriny

    vendredi 11 janvier 2008 | Hery A. |  423 visites
    Mitombo isan’andro ny fitarainan’ny vahoaka anatin’ny faritra manerana ny nosy, afa-tsy ny eto An-drenivohitra amin’izao fotoana izao mahakasika ny fivadihan’ny vokam-pifidianana ben’ny tanàna farany teo. Tsy tahotra tsy henatra fa dia navadika ho an’ny kandida TIM avokoa ny fandresena na dia niharihary izao aza ny fahareseny. Ohatra amin’izany fotsiny ny ao Ampefy izay tsy eken’ny vahoaka hatramin’izao ny hisokafan’ny biraon’ny kaominina satria kandida mahaleo tena no lany, nefa navadika ho an’ny (...)
  • Andry TGV - Rafalimanana sy ny vahoaka

    Samy mitondra fampandrosoana

    jeudi 10 janvier 2008 | Hery A. |  902 visites
    Kihon-dalana diavin’ny tontolon’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena ity taona 2008 ity izay tokony hanaovana jery todika vetivety ihany. Feon’ny vahoaka Ny vahoaka no andrianina ka mendrika henoina ny feony. Amin’izao fotoana izao dia miara-manaiky ny vahoaka fa tsy maintsy manohy ny asa izay mandimby toerana. Midika izany fa be ireo zava-bitan’ny PDS izay sarotra ny handravana azy indray. Fifidianana moa no naharava ny paik’ady saika notohizana ka tsy mahatakona velively ny maha teknisiana ny (...)
  • Fahatapahan-drano teto an-drenivohitra

    Nisavoritaka ny mponina

    mardi 8 janvier 2008 | Hery A. |  493 visites
    Resa-be eto an-drenivohitra ny fanapahana jiro sy rano amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra ka niteraka sahotaka omaly vao maraim-be teo amin’ireo tokantrano maromaro mpampiasa ny paompy an-dàlam-be. Nifandom-baravarana nifampilaza amin’ny tokony hanangonana rano fisotro satria ho tapaka hono ny rano sy jiro. Nifanaretsaka ireo mpikarama mantsaka nitandahatra tamin’ny paompy, voatery nantsaka aloha ny ankizy vao namonjy sekoly. Hatramin’ny omaly hariva anefa dia toa mbola nandeha ihany ny (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS