Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 30 avril 2024
Antananarivo | 00h01
 

Malagasy

Teto an-drenivohitra

Mody adala, nefa manendaka

lundi 4 février 2008 |  835 visites  | Hery A.

Mitombo isa indray ny olona adala eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao saingy toa miova ho moderna kokoa izy ireny, hany ka mampisalasala ny hilaza ny sasany amin’izy ireny ho adala. Tao anatin’ny andro maromaro izay dia tsikaritra misy tovolahy malotoloto manenjika miditra anatin’ireny taxi-be eto an-drenivohitra ireny ka mody mitabataba sy mangataka eo. Tamin’ny faran’ny herinandro teo moa dia navelan’ny resevera nanaram-po tao anatin’ny taxi-be ity tovolahy iray. Sorena ny mpandeha ka nahafoy nanome vola mba ivoahany tao, kanjo teo am-pivoahana no nisintonany ny vola rehetra teny an-tanan’ilay resevera. Teo vao nandeha ny resaka fa efa be mpahalala ilay mpangataka, ary misy andiany maromaro ry zalahy ka ity voatantara ity dia etsy Isotry akaikin’ny « petite vitesse » sy amin’ny fihantsonana eo Tsaralalàna iny no miasa. Ny nampihomehy dia nilaza ity mpangataka hoe « izaho ange rey olona ka adala e ! ».

Mirongatra koa ity fomba ity eny Andoharanofotsy eny, saingy tsy eny amin’ny taxi-be ihany fa eny an-dalam-be mihitsy. Mody adala sy misary gaigy eo ry lehirony dia mandrombaka zavatra na sakafo eny antanan’olona, na ny eny an-tanan’ny ankizy andeha hianatra. Maromaro mihitsy izy ity, ary tsikaritry ny mponina fa mody adala no betsaka, ary adala mahalala vola sy hanina avokoa. Angamba tsy ny mpitsabo ny adala no tokony hisambotra azy ireny fa ny mpitandro filaminana mihitsy satria mazava fa hakamoana no antony. Misy mahara-maso azy ireny ka raha vao avy mangataka sy mangalatra ry zalahy dia miloka ao ambadimbadiky ny « petite vitesse » ao .

Mifangaro amin’izy ireny tokoa ny olona tena adala saingy tsy adala ny olona ka tsy hahafantatra izay tena adala.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS