Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 14h53
 

Malagasy

Taxi-be

Hampakatra saran-dalana ?

mercredi 16 janvier 2008 |  470 visites  | Hery A.

Mamely matahotra ihany ny taxi-be amin’ity fandraisana fepetra amin’ny saran-dàlana ity satria tsapan’izy ireo ny fahasahiranan’ny olona, nefa tsapan’ny olona ihany koa fa mandrangaranga fampakarana saran-dàlana ho avoavo kokoa ireo tompon’ny taxi-be. Vao nisy fanapahan-kevitr’izy ireo manokana mantsy amin’ny tsy fisian’ny saran-dàlana Ar. 200 intsony, saran-dàlana tapa-dàlana io. Ny zotra avy eny Anosibe aloha dia samy manana ny heviny sady ny sasany koa aza tsy mahalala io didy jadona io akory, hany ka ao ny mitondra amin’ny Ar. 200 miainga eo Anosizato mankeny Anosy. Sanganehana moa ny resevera satria làlana ihany iny ka tsy aleo ve entina ihany ? Ao kosa ireo resevera miseho ho tompon’ny fiara ka na fihantsonana iray aza no dinganina dia Ar. 300 ihany ny saran-dàlana. Ny ala olana dia ny fiakaran’ny vidin-tsolika, saingy odiana tsy hita ny kalitao na ny fomba fiasan’ny mpamily sy ny resevera, na ny fahadiovan’izy ireo, ary ny haratsin’ny fiara. Asam-bahoaka no ataon’izy ireo saingy toa tsy fantany akory izany. Manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva eo dia efa miato amin’ny asany ny sasany. Ny haterin’ny fiara moa dia tsy lazaina intsony, ampian’ny fofona vokatry ny fitondrana entana tsy ara-dalàna. Tsikaritra moa tato ho ato fa niha goragora indray ny fanajana ny lalàna ka na ny polisy aza dia malaina hisakana azy ireny, na dia hita izao aza fa ny entana no mibahana ny seza. Ny polisy mitondra moto izao no tena manara-maso azy ireny, saingy vitsy dia vitsy ka tsy maharaka. Ny tapak’ andro maraina no tena ahitana ny tsy ara-dalàna ataon’ireo taxi-be, indrindra eo Anosy eo. Ny zotra 150 sy 165 dia saika tsentsin’ny entana toy ny legioma sy voankazo ary hanikotrana. Eo no hilazan’ny resevera ny hoe « mandehana taxi rehefa tsy handeha ! » Dia asa aloha izay hiseho raha manandrakandrana manondrotra saran-dàlana eo ireo mpitatitra ireo satria tsy misy rahateo ny mpanelanelana toy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa dia mifampiresaka mivantana amin’ny vahoaka ireo mpitatitra. Mafy loha ireto mpitatitra ireto ka ny vahaolana dia ny famoahana ireo fiara vaovao amin’izay. Na Ar. 500 aza ny saran-dàlana dia tsy maninona rehefa tsara ny kalitao sy ny fiara, ary olona mba manana diplaoma CEPE farafaharatsiny no atao resevera.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS