Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 02h20
 

Malagasy

Anosibe

Feno « lôtô » sy kodiakely

vendredi 8 février 2008 |  581 visites  | Hery A.

Nipoitra eny Anosy ka hatreny Anosibe efa ho herinandro maro izao ny lôtô sy ny kodia kely ary ny tourniquet. Ankalamanjana no sady misy loka mihitsy ny lalao. 5 na 6 eo no faritra misy ity « lôtô » ity amin’ireo toerana voalaza teo ireo. Tovolahy roa na telo no miantoka isan- databatra. Mpanao fanatanjahantena ny maro amind-ry zareo. Somary vaventiventy sy nofosana ny sasany. Velarina eo amoron’arabe ny entana manintona maso toy ny fahitalavitra, fakan-tsary, koveta, sy fitaovana somary lafolafo vidy. Ireo hono no loka. Misy ny karatra vidiana ar 100 ny roa. Mety ahazoana entana moramora vidy. Ny 200 ariary kosa dia mety hahazoana fahitalavitra na radio. Tarehimarika tokana isaky ny karatra ihany koa io. Tsy manomboka anefa ny lalao raha tsy mahalafo karatra 20 na 30 isa ny mpikarakara. Roboka ny maro ka vetivety dia tratra ny fetr’isa. Iretsy loka aranty rahateo manodoka (jereo ny sary). Aorian’izay dia tononina ny tarehi-marika. Tapitra ny lalao rehefa avy manonona tarehi- marika impolo ny mpikarakara. Talanjona sy gaga anefa ny mpiloka maro satria tsy mipoitra mihitsy ny marika amin’ireo karatra lafo. Tsy ampiasaina mihitsy ireo tarehi-marika amin’ny karatra amidy raha ny marina. Be no mikaikaika rehefa voa. Tsy vitsy koa ny velon- taraina. Saika ny mpilalao rehetra mihitsy moa izany. Mpiasa an-trano irahina miantsena no ankamaroany. Miampy zatovo lahy sy vavy tsy an’asa na sendra nandalo. Mandray anjara koa eto ny ankizy, afa-tsy ireo manao aron’akanjo. Izany hoe mpianatra.

Eo an-damosin’ny « lôtô » kosa no misy ny « kodia kely ». Mahasarika ireo mpianatra indray izy ity. Ao ny avy an-tsekoly, ao koa ny mbola ho any sy ireo manao récréation. Tsy misy fetra rahateo ny « lalao ». Amin’ny 7 maraina dia efa eo. Ampitomboina ny latabatra rehefa tonga ny ora fiantsenana sy firavan’ny mpianatra.

Fitadiavam-bola taloha no miverina ny lôto sy ny kodia kely ary ny tourniquet. Mitodika amin’ny olona sahirana sy tsy an’asa ity tranga vaovao ity. Efa nisy hatry ny ela teny Anosibe ireo karazan-doka ireo. Manjary mahazo laka sy miitatra amin’ny faritra hafa izy izao. « Aleo mampirevytoy izao toy izay mangalatra ». Izany no valin-teny omen’ny « mpikarakara » raha nanontaniana ry zalahy.

Hita eny an- toerana fa mibahan-dalana toy ny mpivarotra amoron-dalana ny toeram- pilokana. Amin’iny lalana nitokanan’i Jacques Chirac iny izy ireo no miasa (RN1). Samy maka ny toerany avy. Malalaka rahateo ny sisin- dalana. Malalaka toy izany koa ny fihariana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives