Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 10h52
 

Malagasy

Raharaha Jules Antoine Cécilien

Naiditra am-ponja ny vadiny

lundi 28 janvier 2008 |  924 visites  | Hery A.

Efa mazava ny resaka mahakasika ilay namonoana ny tale iray tao amin’ny minisiteran’ny ati-tany, izay tsy hita nanomboka tamin’ny faha 10 oktobra ary tsy hita raha tsy tamin’ity faramparan’ny volana janoary ity. Ny fatiny moa sisa no hita ka araka ny vaovao azo dia ny vadin’andriamatoa tale ihany no atidoha nikotrika ny famonoana ity rangahy ity. Novonoina ho faty rangahy dia natao tao anaty gony ary nalevina. Herinandro taty aoriana vao nampandre ny manampahefana ny vadin-drangahy ary niainga teo ny famotorana. Niaiky ity ramatoa fa izy no nampamono ny vadiny noho ny tsy fahampian’ny fahasambarany ao an-trano. Mandeha mamita iraka matetika any amin’ny faritany rangahy ka tsy tantiny ny tsy fahitana azy ka naleony nafoy tanteraka.

Tamin’ny sabotsy teo no niakatra teny amin’ny fampanoavana ny raharaha ka naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay vadin’ity tale maty iy, ary nambarany moa fa roalahy no niray tsikombakomba taminy ka ny iray no voasambotra ary naidtra eny Tsiafahy fa ny iray kosa mbola karohina.

Samy gaga avokoa moa ny fianakavian’ity tale maty ity, eny hatramin’ny zanany aza izay tsy nanampo ny nahavitan’ity ramatoa loza nahatsiravina tahak’izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS