Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 18h32
 

Malagasy

Andry TGV - Rafalimanana sy ny vahoaka

Samy mitondra fampandrosoana

jeudi 10 janvier 2008 |  902 visites  | Hery A.

Kihon-dalana diavin’ny tontolon’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena ity taona 2008 ity izay tokony hanaovana jery todika vetivety ihany.

Feon’ny vahoaka

Ny vahoaka no andrianina ka mendrika henoina ny feony. Amin’izao fotoana izao dia miara-manaiky ny vahoaka fa tsy maintsy manohy ny asa izay mandimby toerana. Midika izany fa be ireo zava-bitan’ny PDS izay sarotra ny handravana azy indray. Fifidianana moa no naharava ny paik’ady saika notohizana ka tsy mahatakona velively ny maha teknisiana ny mpitondra nihintsana. Teknisiana Rafalimanana, hoy ny vahoaka ka tokony tsy havela hipetra-potsiny rehefa tsy lany fa maro ny toerana sahaza ny fahaizany. Inoana, hoy ihany ny mpaneho hevitra fa ampy hitsarana azy ny santionan’ny asa nankinina taminy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny tsena vaovao maromaro eto an-drenivohitra, ny fanatsarana ireo sekoly, ny fanaovana asa soa na dia tsy mbola tsy PDS aza ny tenany, toy ny kianja fanaovana basket amin’ny tanàna maro, ireo zaridaina sns...Efa nisy ihany ny vinavinan’ny haino aman-jery sasany amin’ny tokony hitanan’ity PDS teo aloha ity toerana ho amin’ny fampandrosoana, saingy anjaran’ny fanjakana tokoa ny mijery ireo teknisiana hahatontosa izany.

Andry TGV sy ny traikefany

Tsy ampy iray volana akory dia efa nanintona ny sain’ny vahoakan’Antananarivo ny raharaha manodidina ny kaominina sy ny fampandrosoana. Hatreto aloha dia nahavaha olana ny ben’ny tanàna. Azo an-tsaina ny maha teknisiana azy saingy mbola tsy miompana amin’ny ara-tsosialy loatra fa bahanan’ny politika. Ny fandraofana fako ihany mantsy aloha no asa tsy azo dinganina isan’andro eto an-drenivohitra fa ny ankoatr’izay dia saika fikojakojana no sisa. Mamporisika azy ny vahoaka mba hifantoka amin’ny ara-tsosialin’ny vahoaka ka hametraka ny resaka politika.

Rafalimanana Hery nametraka ny fototra

Raha izay ary no zava-misy hiaraha-manaiky dia tokony hanohy ny traikefa fampandrosoana efa nananany any amin’ny sehatra hafa aloha ny PDS teo aloha, sitrany ahay mba tsy milevina ilay talenta nampamirapiratra ny tanànan’Antananarivo manoloana izao tontolo izao.

Manoloana ny fanehoan-kevitry ny vahoaka koa dia toa tsy misy manamaivana izay traikefa efa hita teo aloha izay.

Raha atao indray mijery izay resaka momba ny Andry TGV, Rafalimanana ary ny vahoaka izay, dia samy manana tanjona fampandrosoana ny firenena. Hany hanavahan’ireo vahoaka mpaneho hevitra ireto teknisiana roalahy dia ny teo aloha efa nahavita, fa ny iray vao andrasana...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS