Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 13h08
 

Malagasy

Fifidianana ben’ny tanàna : vokatra ofisialy

Misy ny fakàna an-keriny

vendredi 11 janvier 2008 |  423 visites  | Hery A.

Mitombo isan’andro ny fitarainan’ny vahoaka anatin’ny faritra manerana ny nosy, afa-tsy ny eto An-drenivohitra amin’izao fotoana izao mahakasika ny fivadihan’ny vokam-pifidianana ben’ny tanàna farany teo. Tsy tahotra tsy henatra fa dia navadika ho an’ny kandida TIM avokoa ny fandresena na dia niharihary izao aza ny fahareseny. Ohatra amin’izany fotsiny ny ao Ampefy izay tsy eken’ny vahoaka hatramin’izao ny hisokafan’ny biraon’ny kaominina satria kandida mahaleo tena no lany, nefa navadika ho an’ny kandidan’ny TIM. Torak’izany koa ny tao amin’ny kaominina Mahatsinjo any amin’ny faritra atsimo atsinanana iny izay samy namoahan’ny fitsarana didy nahazoany toerana ny kandida mahaleo tena sy ny TIM ka tsy fantatra marina izay ho ben’ny tanàna. Ny ao amin’ny distrikan’ny Maintirano moa dia saika natsimbadika ho an’ny TIM avokoa ny fandresena toy ny any Belobaka, Betanatanana sns...Rehefa nozohiana dia fanafoanana vokam-pifidianana tsy amin’antony no nampakarana ireo kandidan’ny TIM. Tsy manaiky ny mponina amin’ireo faritra rehetra ireo ka toa mampitandrina sahady ny hisian’ny korontana. NY tao Ampefy aloha dia efa nanambara fa na hisy ra mandriaka aza dia tsy hanaiky ry zareo. Ny mahatsikaiky amin’izy ity dia ny tsy nanampoizan’ireo kandida TIM ny fahalaniany tampoka tamin’ny ora farany. Ao moa ireo efa mifona amin’ny vahoaka ka manaiky hametram-pialana ary hanolotra ny fahefana ho an’ny mpifanandrina aminy.

Mazava kosa ny tanjon’ny hala-bato hatreto fa hihazakazaka hiato ny voninahitry ny TIM amin’ny fifidianana loholon’i Madagasikara izay hatao atsy ho atsy. Ireto mpanolon-tsaina sy ben’ny tanàna ireto mantsy no mifidy ireo loholona izay andrim-panjakana mitana ny ain’ny fitondrana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS