Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 01h52
 

Malagasy

Rameva, osy, omby vavy be ronono

Biby inona izany e ?

jeudi 31 janvier 2008 |  1162 visites  | Hery A.

Te hahita mivantana ireo karazam-biby nampidirina teto Madagasikara vao haingana ny vahoaka malagasy, saingy toa sarotra ny ahitana izany satria tsy eny amin’ny valan-javaboahary toy ny etsy Tsimbazaza no misy azy fa eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, hany ka olona voafantina ihany no afaka mahita azy. Ny rameva izay tonga vao haingana aloha no tena mahaliana, izay sambany mba nandrenesana ny fisiany eto, na dia voalaza aza fa efa misy malagasy miompy azy io eto an-toerana fa tsy fantatra mazava.

Nalaza ihany koa ny omby vavy be ronono, avy any ivelany izay marihana fa maro koa ny olona te hahita izany mivantana, raha ny lazany amin’ny fahitalavitra ihany no re. Ny osy nafarana ihany koa dia maha te hijery na dia efa fahita matetika any anindran-tany aza.

Azo antoka kosa fa ny fitandroana ny fahasalaman’ireo biby ireo no nanokanana toerana azy, ary biby fakana tombontsoa avokoa fa tsy natao hampirantiana fotsiny. Na izany aza, aiza ho aiza no fomba tokony hahafahan’ny malagasy mijery ireo biby mahavariana ireo ? Tsy azo sokafana ho an’ny daholobe ve ny lapam-panjakana mba hijerena azy ? Ho an’ny fikambanana na sekoly aloha dia mety hanana anjara amin’izany raha manao fangatahana fa sarotra kosa ho an’ny sarababem-bahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024