Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 06h42
 

Teny zato, kabary arivo

Ripaka ny omby gasy

mercredi 6 février 2008 |  626 visites  | Hery A.

Iharan-doza ny omby malagasy ! Mirongatra manerana ny nosy ny halatra omby tato ho ato ka tsy ny olona mpanara-dia ihany no lasibatra fa vonoin’ny dahalo hatramin’ny omby. Ela koa ny ela fa nanjary nisy ny omby maty tafihan’ny biby (kongona sy dinta) teto amin’ny nosy, misy aza dia aretina hafahafa fa mankarary ny fofona avoakany. Eo amin’ny halatra omby aloha dia tsy voafehy intsony satria tonga any amin’ireo dahalo ny basy. « Kalachnikov » miisa 4 izao no nentin’ny dahalo nanafika ny kaominina Mahaboboka, any Sakaraha tamin’ny herinandro teo, ka nahafaty olona iray tamin’ireo mpanara-dia, nefa vao tsy ela akory no nisy omby miisa 68 very tany an-toerana . Tany Vohemar koa dia nahaverezana omby miisa 13 ka nifanatrehan’ny zandary tamin’ny dahalo miisa 10, ka ny 3 ihany no voasambotra. Arahana basy avokoa ny fanafihana ka eo indrindra no mahagaga. Avy aiza ireny basy ireny ? Iza no mamatsy, sy manome fiofanana satria havanana tokoa ry zalahy amin’ny fitanana ny basy. Amin’izao fotoana izao moa dia isan’andro no andrenesana ity halatra omby ity, ary mila ho henjana satria efa betsaka ny mpiompy very hevitra, toy ny any Matsiatra ambony any, izay tsy afa-mamokatra intsony fa miambina tanàna fotsiny.

Etsy andaniny moa dia sadaikatra ny faritra sasany noho ny afitsoky ny zandary satria dia aleon’izy ireo hono mifanena amin’ny dahalo toy izay hifampiraharaha amin’ny zandary. Eo angamba ny fitaovana tsy ampy, nefa misy koa ny zandary manampatra fahefana ka maka vola mihoapampana.

Ny tafika koa moa ity nafantoka amin’ny fiovana maitso, nefa ny asan-dahalo dia mitaky ny fiasan’izy ireny satria ry zalahy ireny no mitovy fahaizana mitam-basy amin’ny dahalo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives