Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Articles écrits par « Hery A. »

  • Fitafiana mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana

    Fitaovan’ny andian-jiolahy

    vendredi 16 novembre 2007 | Hery A. |  349 visites
    Taorian’ny resaka fanamiana mpitandro filaminana sarona teny amin’ny jiolahy, vao tsy ela akory izay dia tonga resa-be manerana ny nosy indray ity akanjona miaramila ity izay efa nalaza tany alohaloha tany. Lamaody ho an’ny zatovo izy ity saingy nihodina ho fitaovana ratsy ho an’ny jiolahy. Fitaovana nahomby tokoa satria samy natahotra na ny mponina andrenivohitra na ambanivohitra raha vao hanatonan’ireny mpitandro filaminana ireny. Maro no voasoloky satria izay moa no tena nilàna ny akanjona (...)
  • Antananarivo renivohitra : fifindra-monina

    Fitaovana politikan’ny fifidianana ?

    vendredi 16 novembre 2007 | Hery A. |  465 visites
    Mirona any amin’ny fitsikilovana arahana fitsikerana tsy mazava ny mpanao politika manoloana ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Voaresaka ny isan’ny mpifindra monina ka niainga teny amin’ny fokontany Anjanahary ny loharanom-baovao mahakasika an’io. Miisa 200 eo ho eo ny mpifindra monina tato anatin’ny fotana fohy, ary tsy dia misy hafa amin’izany ny fokontany maro eto an-drenivohitra. Tonga resa-be satria heverin’ireo mpivoy ny resaka politika fa paik’adin’ny kandida (...)
  • Fizahan-tany ara-nofo fampandraisana anjara ny ankizy

    Ny tsy fananana mahazaka maniraka

    jeudi 15 novembre 2007 | Hery A. |  952 visites
    Tsy dia misy tarehi-marika raikitra ahafahana manao antontan’isa ho an’ny seho « fizahan-tany ara-nofo mampandray anjara ny ankizy » eto Madagasikara, fa ny fantatra dia miroborobo izy io eto amintsika. Tao anatin’ny dinidinika narahana ady hevitra niarahan’ny mpanao gazety mpikirakira ny zon’ny ankizy tamin’ny PFSCE « Plate forme de la société civile pour l’enfance », niarahana tamin’ireo « ONG Développement » avy any ivelany sy eto an-toerana no namantarana ny fototry ny faneken’ny zazavavy tsy ampy (...)
  • Toamasina : « Festival avy letchi e ! »

    Nifoha ny tontolon’ny fizahan-tany

    mercredi 14 novembre 2007 | Hery A. |  444 visites
    Nofohazin’ny «festival letchi» ny tontolon’ny fizahan-tany any amin’ny faritra atsinanana iny izay nokarakarain’ny mpikirakira fizahan-tany sy ny faritra atsinanana tamin’ny faha 9 novambra hatramin’ny faha 11 novambra teo. Na ny malagasy na ireo teratany vahiny dia nahazo ny tandrify azy. Nisongadina moa ny fampirantiana ny tontolon’ny letisia, ny fampirantiana ny tantaran’ny Toamasina sy ny sary taloha nampiavaka ity morontsiraka ity. Nisy ireo lalao isankarazany nentina nampisongadinana ny (...)
  • Atsimondrano : Vaky ny « digue » eny Ankazotoho

    Traboina sahady ny mponina

    mercredi 14 novembre 2007 | Hery A. |  598 visites
    Tandindonin’ny tondra-drano sahady Antananarivo na dia mbola tsy tena ao anatin’ny fahavaratra aza ny vanim-potoana. Ho an’ny faritra iva sy aty ampovoan-tanàna toy ny eny Ankorondrano sy ny manodidina dia efa misy ny rano mihandrona aorian’ny fiavian’ny orana isan-kariva. Taorian’ny orambe tamin’ny alahady hariva teo dia nisy sahady ny ampahana « digue » vaky eny Ankazotoho, ao anatin’ny kaominina Tanjombato,distrikan’Antananarivo atsimondrano. Traboina ny mponina amin’ny trano sasany ao amin’ity (...)
  • Hery Rafalimanana : filatsahan-ko fidiana

    « Tsarao amin’ny asa efa vitako aho ! »

    mercredi 7 novembre 2007 | Hery A. |  320 visites
    Ny filoha nasionalin’ny antoko TIM atoa, Randriasandratriniony Yvan no nanolotra tamin’ny fomba ofisialy an’atoa Rafalimanana Hery PDS tananan’Antananarivo amperinasa ho mpitarika ny lisitry ny kandida TIM ho amin’ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 12 desambra ho avy izao. Omaly no nambara tamin’ny fomba manetriketrika ity fanolorana ny kandida TIM ity ka nampatsiahivan’ny kandida Hery Rafalimanana ny zava-bitany tao anatin’ny 8 volana namindrana ny fitantanana taminy. « Tsarao amin’ny asa efa (...)
  • PDS Hery Rafalimanana

    Hiaro sy hanohy ny zava-bitany

    mardi 6 novembre 2007 | Hery A. |  730 visites
    Volana febroary 2007 no nanomboka nandraisan’atoa Hery Rafalimanana ny fahefana teo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ka nanoloany toerana an’atoa Ramiaramanana Patrick izay voatendry ho minisitra. Volana vitsy taorian’ny nandraisany ny toerana PDS dia tsinjo sahady fa afaka hanohy ny tetik’asa efa napetraky ny fitondram-panjakana ny tenany. Ankehitriny dia kandida mitarika ny lisitra ao amin’ny antoko TIM eto Antananarivo renivohitra Hery Rafalimanana. Tsy ho tanisaina ny traikefa fa (...)
  • Toliara

    Nirefotra tao amin’ny MAGRO ny grenady

    mardi 6 novembre 2007 | Hery A. |  490 visites
    Nisy olon-tsy fantatra nanipy grenady ny MAGRO ao Toliara, omaly alatsinainy maraina tamin’ny 4 ora sy sasany teo. Araka ny vaovao azo dia nipoaka ity grenady mahafaty ity ka namotika ny fitaratra rehetra amin’ny rihana ambany amin’ny tranon’ny MAGRO. Roalahy no mpiambina ity tranombarotra ity ka zandary ny iray izay voalaza fa naratra nipitihan’ny potika grenady, ny iray kosa sivily izay tsy naninona. Efa nijery ifotony ny raharaha ny mpitandro filaminana any an-toerana ka nahafantarana fa (...)
  • Faha-72 taonan’i Didier Ratsiraka

    Ho lasan’ny vazaha manontolo i Madagasikara

    lundi 5 novembre 2007 | Hery A. |  11302 visites
    Feno 72 taona omaly alahady faha 4 novambra ny filoham-pirenena teo aloha atoa Ratsiraka Didier ka toy ny isan-taona dia mankalaza izany ny antoko AREMA noforoniny. Teny Anosizato, biraon’ny Arema firaisana faha 4 no nanaovana ny lanonana rehefa nahazo alalana tamin’ity filoha teo aloha ity. Atoa Ange Andrianarisoa, sekretera nasionaly vonjimaika an’ity antoko ity no nitarika ny fotoana ka ankoatry ny fiaraha-mikoranan’ireo mpikambana dia nisy ny dinidinika mahakasika ny fiainam-pirenena ny (...)
  • Toamasina : Vono olona tao amin’ny hotely

    Nolavin’ny fitsarana ny fiampangana an’i Zakahely Boniface

    samedi 3 novembre 2007 | Hery A. |  1052 visites
    Afaka noho ny fisalasalana izy 4 mianadahy mpiasan’ny hotely iray teny Salazamay ao Toamasina izay voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny nahafaty ny mpiambina ny loholon’i Madagasikara atoa Velo Arsene. Nandoa onitra ar 3 alina kosa ny mpiasan’ny hotely iray izay tsy nandray ny anaran’ny mpanjifa miditra ao amin’ny hotely iasany. Raha tsiahivina ny tantara dia maty nisy nitifitra tao amin’ity hotely ity mpiambina ny loholon’i Madagasikara Velo Arsene ity tamin’ny alin’ny faha 20 martsa lasa (...)
  • « Bois de rose » : Fanondranana an-tsokosoko

    Olona maro no mbola karohana

    vendredi 26 octobre 2007 | Hery A. |  670 visites
    Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ilay mpandraharaha tompon’andraikitra tamin’ny famoahana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy « bois de rose » avy any amin’ny distrikan’ Antalaha, nokasaina haondrana any ivelany ka saron’ny ladoany tao Toamasina. Miandry ny fitsarana azy ity olona voarohirohy ity mandram-pahita an’ireo olona maro mbola voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Hazo sarobidy miisa 4300 no sarona tao Toamasina ka olona 3 lahy no nividy azy ireo. Karohina fatratra koa (...)
  • Analanjirofo : Fenoarivo atsinanana

    Nisy nanafika ny biraon’ny faritra

    jeudi 18 octobre 2007 | Hery A. |  441 visites
    Ny alin’ny talata lasa teo dia notafihan’ny jiolahy miisa 10 nirongo fiadiana mahery vaika ny biraon’ny faritra Analanjirofo, ao amin’ny distrikan’ny Fenoarivo atsinanana ka vaky noho ny fifanandrinana tamin’izy 10 lahy ny lohan’ilay mpiambina ny biraon’ny faritra. Efa saika tafiditra tao amin’ny birao misy ny entana sarobidy, toy ny solosaina sy ireo fitaovana samihafa ireto jiolahy no tonga tampoka ny polisy. Rifatra nandositra ireo jiolahy ka mbola karohana hatramin’izao . Nisy ihany koa ny (...)
  • Antanifotsy : Antoko TIM

    Nampihavanin’ny fitiavan-tseza

    mercredi 17 octobre 2007 | Hery A. |  559 visites
    Taty amin’ny resaka fifidianana vao hita taratra ny fifandraisana ambadiky ny ben’ny tanana sy ny solombavambahoaka ao Antanifotsy ao, raha nisehoan’ny ady tsy takona nafenina nandritra ny fotoana nitondrany avy ka niantraika tany amin’ny fampandrosoana ankapobeny. Tsy nisy tsy nahalala tokoa fa tsy nifanaraka loatra ity ben’ny tanànan’Antanifotsy ity sy ny solombavambahoaka. Efa samy nilaza ny roa tonta fa sarotra ny fiaraha-miasa. Nisy aza ny fotodrafitrasa vitan’ny ankilany nolazain’ny andaniny (...)
  • Ambohibary : Olan’ny zandary sy ny fokonolona

    Ahiana ny hisian’ny korontana

    mardi 16 octobre 2007 | Hery A. |  820 visites
    Iray volana mahery izay no nitanana am-ponja ny tovolahy iray voarohirohy ho nanolana vadina zandary tany Ambohibary, anatin’ny faritra Vakinankaratra izay niteraka resa-be any an-toerana, satria tsy manaiky ny fiampangana ity zazalahy ity ny mponina sy ny sefo fokontany. Araka ny vaovao azo dia nosamborina ity tovolahy ity tamin’ny faha 12 septambra izay mpivarotra eo akaikin’ny biraon’ny zandary. Voampanga nanolana ny vadina zandary tamin’ny faha 14 aogositra ny lehilahy, ka ny porofo nitanana (...)
  • Toamasina : « Festival avy letchis ê »

    Hasongadina ny kolotsaina sy fizahan-tany

    vendredi 12 octobre 2007 | Hery A. |  509 visites
    Ho tanterahina ao Toamasina amin’ny faha 9 -10 ary faha 11 novambra izao ny hetsika « Festival avy letchis ê » izay ahitana hetsika aram-panatanjehantena, kolotsaina, ekonomika, natao indrindra ho an’ny tontolon’ny fizahan-tany, manana tanjona ho amin’ny teny filamatra hoe « Fihavanana », ary ny tanjona rahateo moa dia ho fampaharetana sy hanafaingana ny fampandrosoana. Tafajoro ny komity mpikarakara ny hetsika izay ahitana ny filohany atoa Ramananjatovo Georges, mitarika ireo mpikambana izay avy (...)
  • Antsiranana : Ady tany

    Handrava trano indray ny fanjakana

    jeudi 11 octobre 2007 | Hery A. |  537 visites
    Malaza ny ady tany any amin’ny faritra Diana iny, ka saika mibahana ny raharaha ao amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Hitoviana amin’ny faritra rehetra ny ady tany fa ity any Antsiranana ity dia miavaka satria trano efa vita baorina sy nandoavana hetra nandritra ny taona maro no voalaza fa tany manana tompony hafa indray. Tsy maintsy ravàna ny tanàna Nisy an’izany teny amin’ny oniversite ka efa nisy ny fangatahan’ny tompon’andraikitry ny oniversite ny fanesorana azy ireo. Ny sasany no efa (...)
  • Tsiroanomandidy : Halatra omby

    Mampandre ny hiaviany ny dahalo

    mardi 9 octobre 2007 | Hery A. |  759 visites
    Amin’ny alakamisy ho avy izao, amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro no ho tonga hanafika ao amin’ny tanànan’ny Tsaratanàna, anatin’ny distrikan’ny Tsiroanomandidy ny dahalo mpangalatra omby. Taratasy voarain’ny mponina ao amin’ity tanàna ity, tamin’ny faran’ny herinandro teo ity mampisavoritaka saim-bahoaka ity satria efa fihantsiana ankitsirano tsotra izao, toy ny tany tsy misy fanjakana. Naverin’ny resaka politika ny halatra omby Tao anatin’ny taona vitsy dia tsy faritra mena intsony i Bongolava (...)
  • Toamasina

    Niakatra fitsarana indray i Zakahely

    vendredi 5 octobre 2007 | Hery A. |  747 visites
    Niakatra fitsarana indray ny raharaha nitorian’olona an’i Zakahely Boniface solombavam-bahoaka teo aloha, any amin’ny faritra Atsinanan’ny nosy iny. Raha tsiahivina aloha ny tantara dia ny nanondrahan’ity voarohirohy ity rano an’ireo mpaka sary tao amin’ny trano fandihizana iray any an-toerana. Araka ny vaovao azo dia narahana fifanjevoana izany ka namparatra ny sinoa tompon’ilay trano fandihizana. Nitory ity farany ka voasazy 30 volana any am-ponja, sazy mihatona i Zakahely. Tsy nanaiky anefa izy (...)
  • Ambohimahasoa : Dinan’ny fampianarana

    Mandoa Ar. 10.000 izay tsy mampiana-janaka

    jeudi 4 octobre 2007 | Hery A. |  551 visites
    Voasazy izay olona manan-janaka tokony hianatra, nefa tsy ampidirina an-tsekoly. Io no dina vaovao santarin’ny mponina ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa amin’izao fanombohana ny taom-pianarana 2007-2008 izao. Sandaina Ar. 10.000 tokoa izany arak’ity dina napetraka isaky ny kaominina ity. Ny antony moa dia ny hanenjehana ny tarigetran’ny MAP, dia ny hampidirana an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra. Tsy ampy ny sekoly sy ny mpampianatra Ny tena niavian’ny hevitra aloha tsy fantatra fa manomboka eo (...)
  • Ambatondrazaka

    Olona iray matin’ny haromontana

    mercredi 3 octobre 2007 | Hery A. |  603 visites
    Olona iray no fantatra fa maty noho ny haromontana avy amin’ny kaikitry ny alika, any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka any. Araka ny vaovao azo ihany dia seho efa somary niely ihany izy ity saingy toa tsy nahataitra ny tompon’andraikitra loatra raha tsy nisy ny olona maty. Arak’izany dia nandray fepetra haingana ireo tompon’andraikitra mba tsy hitomboan’ny fahafatesana ka nisy ny famonoana ireo alika mpirenireny sy tsy manana kara-baksiny. Nanomboka tamin’ny faha 2 oktobra ity fandripahana alika (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS